Manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo ny irany

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 15 Jolay 2017

Manaiky ho vavolombelon'ny  Tompo ny irany

Asan'ny Apostoly 19.1-10
1 Ary raha mbola tany Korinto Apolosy, dia nitety ny tany ambony Paoly ka tonga tany Efesosy, dia nahita mpianatra sasany teo izy 2 ka nanao taminy hoe: Efa noraisinareo va ny Fanahy Masina, fony vao nino ianareo? Fa ireo nanao taminy hoe: Tsy renay akory fa efa nomena ny Fanahy Masina. 3 Ary hoy Paoly: Ho amin'inona ary no nanaovana batisa anareo? Dia hoy ireo: Ho amin'ny batisan'i Jaona. 4 Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy. 5 Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. 6 Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany. 7 Ary tokony ho roa ambin'ny folo lahy no isan'izy rehetra. 8 Ary Paoly niditra tao amin'ny synagoga ka niteny tamin'ny fahasahiana, dia niady hevitra telo volana ka nampanaiky ny amin'ny fanjakan'Andriamanitra. 9 Fa raha nikiribiby ny sasany ka tsy nanaiky, fa niteny ratsy izany fampianarana* izany teo imason'ny olona maro, dia niala tamin'ireo izy ka nitondra ny mpianatra nitokana, dia niady hevitra isan'andro tao amin'ny trano fampianaran'i Tyrano. [* Gr. lalana] 10 Ary naharitra roa taona ngarangidina izany, ka dia nandre ny tenin'ny Tompo izay rehetra nonina tany Asia, na Jiosy na jentilisa*. [* Gr. Grika]

Manaiky ho vavolombelon’ny  Tompo ny irany

Asan’ny Apostoly 19.1-10

Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany

1-Mandeha  mitety  toerana  maro (and1)

Tsy mandeha ho  azy  araka ny fomba  fiteny ny mijoro ho  vavolombelon’ny  Tompo   fa mety hiteraka  zava-tsarotra tahaka  izay  hita eto :

1-Mandeha  mitety  toerana  maro (and1)

« namakivaky  havoana  lembalemban’i Azia Minora kosa i Paoly  ka tonga  tany Efesosy »  (and1-DIEM). Anisany  nahavita   fitetezam-paritra maro  ny Apostoly  Paoly  . Ny mpitory  Filazantsara   manaiky   ho  vavolombelon’ny  Tompo  dia vonona  handeha  amin’ny toerana  rehetra izay hanirahana azy . Mety  handehanana  an-tongotra mandritra ny ora  na andro maromaro izany , iampitana rano , itetezana  havoana sy lohasaha . Ny zava-dehibe  dia ny hahatanteraka  hy fitoriana ny Filazantsara , araka izay efa  nambarany hoe: »Fa raha mitory  ny Filazantsara   aho  dia tsy  misy ho raharehako  , satria tsy maintsy  manao  izany aho  , fa lozako  raha tsy  mitory ny Filazantsara aho » (1 Kor  9.16) . Ary ianao mba ahoana?

2-Maharitra amin’ny fampianarana (and8-10)

Gaga  i Paoly  raha nandre  fa tsy mbola nandray  ny  Fanahy Masina  ireo  mpianatra  tao Efesosy , ka dia  nohazavainy  sy nampianariny  azy ireo  ny momba  ny batisan’i Jaona  (and 2). Nitoriteny  sy nampianatra  nandritra   ny telo volana tao amin’ny synagoga izy , nefa  tsy nety nandray ny fampianarany ireo  Jiosy . Tsy nahakivy  azy anefa izany . Nitondra ny mpianatra  nihataka  izy  ka nampianatra  tao amin’ny trano fampianaran’i Tyrano . Naharitra roa taona no nanaovany izany ka noho ny fiasan’ny Fanahy Masina  dia niely  eran’i Azia  ny Filazantsara . Raha te-hahita  vokatra  isika  dia tokony  hanampo    mandrakariva  fa tsy maintsy  hisy  ny olana  , aoka  tsy ho mora kivy  . Ireny  olana  ireny indrindra  no hijoroana ho vavolombelon’ny Tompo .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM