Manaiky  fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 03 Aogositra 2017

Manaiky  fijaliana ny vavolombelon'ny Tompo

Hebreo 5.4-10
4 Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an'ny tenany afa-tsy izay antsoin'Andriamanitra, tahaka an'i Arona. 5 Dia toy izany koa Kristy: tsy Izy no nanandratra ny tenany ho Mpisoronabe, fa Ilay nanao taminy hoe: "Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany" (Sal.2.7); 6 ary toy ny lazainy eo amin'ny teny hafa koa hoe: "Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka" (Sal.110.4). 7 Tamin'ny andron'ny nofony, raha nanao* fivavahana sy fangatahana nomban'ny fitarainana mafy sy ny ranomaso be tamin'izay nahavonjy Azy tamin'ny fahafatesana Izy, sady voahaino noho ny fahatahorany an'Andriamanitra**, [* Gr. nanatitra] [** Na: voahaino ka afaka tamin'ny fahatahorany] 8 dia nianatra fanarahana tamin'izay fahoriana nentiny Izy, na dia Zanaka aza; 9 ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy, 10 fa notononin'Andriamanitra hoe Mpisoronabe "araka ny fanaon'i Melkizedeka."

Manaiky  fijaliana ny vavolombelon’ny Tompo

Hebreo 5.4-10

Fanompoana  miavaka ny fanompoan’i Jesoa Kristy . Mihoatra  ny  Mpisoronabe izay  mpisoron’ Andriamanitra Avo indrindra sady Mpanjakan’ny fiadanana, toa an’i  Melkizedeka aza (Heb 7. 1-3). Ny fanompoan’i Jesoa :

Fanompoana tanteraka

1-Avy amin’ Andriamanitra (and 4-6)

Ny  fanambarana roa avy  ao amin’ny Salamo (2,7,110, 4) dia samy maneho  ny firaisan’i Kristy  amin’ Andriamanitra . Tsy maneho   fiombonana  amin’ny Ray (Jao  10.30,14.9; 8.54) fotsiny  anefa  fa tena  tafiditra ao amin’ny fahatanterahan’ny  drafitrasam-pamonjen’ Andriamanitra mihitsy  . Tsy  misy  azo oharina amin’izay  fanompoan’i Kristy  . Fanompoana tanteraka avy  amin’ny Ray  . Koa  tsy azo sandohana .

2-Nitondra fahoriana (and7-10)

Tonga loharanon’ny famonjena i Jesoa Kristy  noho  ny fankatoavany  ny  Ray . Fadiranovana sy nangorohoro  Izy  tamin’ny nanekeny  ny kapoaky   ny fijaliana ary nanaiky hatramin’ny fahafatesana  . Nizaka  ny vesatry  ny fitsarana  noho ny otantsika Izy . Fa « izay tsy nahalala  ota  dia efa nataony ota hamonjy  antsika , mba  ho tonga fahamarinan’ Andriamanitra ao aminy kosa isika (2 Kor 5.21) . Ho  an’izay   mitondra  fahoriana tsy zaka  sy  mafy   tsy eran’ny aina . Tsarovy  i Jesoa .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM