Manafaka ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 13 Jona 2023
Asan 'ny Apostoly 16. 25 - 34
Asan'ny Apostoly 16,25 - 34
25 Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra. 26 Ary nisy horohorontany mafy dia mafy avy tampoka, ka nihozongozona ny fanorenan'ny tranomaizina; dia nivoha niaraka tamin'izay ny varavarana rehetra, ary nivaha avokoa ny fatoran'izy rehetra. 27 Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavaran'ny tranomaizina nivoha, dia nanatsoaka ny sabany izy ka saiky hamono tena, satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra. 28 Fa Paoly niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Aza mamono tena, fa ato ihany izahay rehetra. 29 Ary izy niantso jiro, dia nikaretsaka niditra sady tora-kovitra ka niankohoka teo anatrehan'i Paoly sy Silasy. 30 Ary rehefa nentiny nivoaka izy roa lahy, dia hoy izy: Tompoko, inona no mety hataoko, mba hovonjena aho? 31 Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao. 32 Ary izy roa lahy nitory ny tenin'ny Tompo taminy sy tamin'izay rehetra tao an-tranony. 33 Ary nandray azy roa lahy izy tamin'izany ora amin'ny alina izany ka nanasa ny dian-kapoka; ary natao batisa tamin'izay izy mbamin'izay azy rehetra. 34 Ary rehefa nentiny niakatra ho ao an-trano izy roa lahy, dia norosoany hanina teo anoloany, dia nifaly indrindra izy mbamin'izay rehetra tao an-tranony, satria efa nino an'Andriamanitra.
Asan ‘ny Apostoly 16. 25 – 34
Manafaka ny Tompo
1-Ny teritery amin’ny asan’ny olona andavanandro ( And,27)
Dia nahatsiaro ny mpiandry tranomaizina ka nahita ny varavarana nivoha dia nanatsoaka ny sabany izy ka saika hamono tena satria nataony fa efa nandositra ny mpifatotra. Andray ity fahoriana manjo ity mpiandry fonja ity. Asa mafy loatra mihatra amana aina ny asany,kanefa tsy maintsy atao satria mamelom- bady aman- janaka. Raha maty teo tokoa moa ízy dia hanao ahoana ny fahorian’ny vady aman-janany? Soa fa teo i Jesoa nanoro hevitra ireo mpifatotra mba tsy handositra ho fitsinjovana ny ainy
ho an’ny vady aman-janany. Hain’i Jesoa Kristy ny mitsinjo ny olona amin’ny teritery amin’ny asa toy izany,
2- Ka mamonjy ny fanahin’ny olona mihintsy aza (and 30-31)
«Tompoko inona no mety hataoko mba lo vonjena aho ?. Dla hoy izy roalahy : Minoa an’ iJesoa Tompo dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.Tsapan ‘ity mpiandry fonja ity fa ilay Andriamanitra notompoin’i Paoly sy Silasy no nahatonga azy ireo tsy handositra na dia efa nisokatra aza ny varavaran’ny fonja. Niaina tamin’ny fanafahana nataon’i Jesoa Kristy izy ireo na dia tao am-ponja aza. Nampangetaheta azy tokoa
izany fahafahana niainan’i Paoly sy Silasy izany ka nahatonga azy hamantatra ny fomba nahazoany ny famonjena, ny fanafahana. Mazava tsara ny toro-làlana eto : «Minoa an’i Jesoa Tompo dia hovonjena
ianao sy ny ankohonanao».
Fanontaniana :
Inona avy ireo teritery misy eo amin ‘ny asanao ka mahasahirana anao? Ahoana no ataonao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM