Manafaka ny olony Andriamanitra

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 16 Janoary 2020

EKSODOSY 6.2-8

EKSODOSY 6.2-8
2 [Ny namerenan'Andriamanitra ny teniny tamin'i Mosesy] Ary Andriamanitra niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah; 3 ary tamin'ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy, 4 Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany. 5 Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely, izay ampanompoin'ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko. 6 Koa lazao amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin'ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo. 7 Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin'ny fanompoana mafy ampanaovin'ny Egyptiana anareo. 8 Ary Izaho hampiditra anareo any amin'ny tany izay nananganako tanàna homena an'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.

Manafaka ny olony Andriamanitra

1-Reny ny fitarainan’ny olony (and 5)

Andevo tany Egypta ny Zanak’Israely , mahatsiaro ho tena fadiranovana ka mitaraina mitady famonjen’ amin’ Andriamanitra . Ary ren’ Andriamanitra tokoa izany , ka maniraka olona hamonjy sy hanafaka Izy . Nirahina i Mosesy . Aoka tsy ho kivy na ketraka isika ao anatin’ny mafy lalovantsika .Mivavaha fa mandre antsika ny Tompo « tsy lalodalovana ny sofiny fa mahare » (Isa 59.1b)

2-Zon’Izy Andriamanitra izany (and6)

Ny matoateny hoe: « hanavotako »; dia azo adika hoe: »hitokiako » , na « hamaliako rà« . Maneho izany fa zon’ Andriamanitra ny Zanak’Israely , zon’ Andriamanitra ny mitaky azy ireo tsy eo ambany fanandevozan’ny Egyptiana ,ary an’i Abrahama no hananan’ny Tompo zo hanafaka ny vahoakany eo ambany fanompoana . Amin’ny herin’ny tànany sy ny fahefany no hanafahan’ Andriamanitra ny olony .Matokia fa isika olony dia tsy mba avelan’ny Tompo ho andevo , ary ny tàna-maheriny no entiny manafaka antsika .

3-Andriamanitra tsy mivadika Izy (and8)

« Omeko ho fanananareo izany », hoy ny Tompo eto raha mampanantena ny vahoakany ny tany tondra-dronono sy tantely . Faneken’ Andriamanitra io tamin’ny Patriarka , ary tsy mivadika amin’izany ny Tompo, tsy miova amin’izay efa nekeny Izy .Andriamanitra azo antoka ny Andriamanitra ivavahantsika . Koa isika mino dia mahazo miantehitra aminy , azo antoka tsy handiso fanantenana Izy, izay lazainy dia tanterahiny .Izy no tsy miova omaly sy anio ary ho mandrakizay .

Fanontaniana:

Inona teo amin’ny fiainanao no hahatsapanao fa tsy mivadika tokoa Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM