Mampitsahatra ny tafio-drivotra Jesoa
Mofonaina anio: Alarobia, faha 19 Jona 2024
Marka 4.35-41
Marka 4.35-41
35 Ary androtrizay ihany, rehefa hariva ny andro, dia hoy Izy taminy: Andeha isika hita ho eny am-pita. 36 Ary rehefa nampodin'ny mpianany ny vahoaka, dia nentiny tamin'io sambokely io tamin'izao ihany Jesosy. Ary nisy sambokely sasany koa niaraka taminy. 37 Ary nisy tafio-drivotra mahery, ary nianjerazeran'ny alondrano ny sambokely ka nila ho feno rano. 38 Ary Jesosy natory teo am-bodin'ny sambokely tambonin'ny ondana; ary namoha Azy izy ireo ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao? 39 Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin'ny ranomasina hoe: Mangina, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. 40 Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo? 41 Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe: Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?Mampitsahatra ny tafio-drivotra Jesoa
1- Koa Izy no tadiavo :
Voalaza amin’ity fitantaran’i Marka ity fa ny toerana nisy an’i Jesoa dia teo ambodin’ny sambokely. Ary natory tamin’ny ondana Izy. Misy toerana maro anaty sambokely ka samy naka izay nahazoany aina ny rehetra. Ny an’i Jesoa dia ilay toerana mangina. Ka rehefa nisahotaka ny mpianatra dia hitany tery ambodin’ny sambo ny Tompo. Ao anaty sahotaka ateraky ny fahasahiranana maro isika ankehitriny. Tsy ao anaty korontana no ahitanao ny Tompo fa manatòna Azy ao amin’ilay toerana mangina. Hoy Izy: » Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efi-tranonao… ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao. » (Mat 6.6)
2- Ka aoka Izy no antsoina:
Mahagaga fa raha tojo zava-tsarotra ny mpianatry ny Tompo eto, izay tsy inona fa ny tafio-drivotra nahatonga alon-drano ka nanefika ny sambokely nitondra azy ireo, dia nofohaziny ny Tompo izay matory. Raha namoha ny Tompo izy ireo dia tsy mba niteny hoe: mifohaza ianao fa tsy hitanao angaha ity loza ity? fa namoha ny Tompo izy ireo ka niteny « Mpampianatra ô!, tsy mampaninona Anao va izao fahafatesanay izao?» fa tsy hoe fahafatesantsika. Navahany tsara ny Tompo!
Na dia natory aza ny Tompo dia fantany fa Izy Ilay hany mahavonjy azy. Ary isika? iza no mba antsointsika amin’ny ady sarotra atrehantsika? (vakio Sal. 50.15)
Fanontaniana:
Ahoana avy ny fomba efa niantsonao an’Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe