Mampita ny fiderana sy ny asan’ny Tompo amin’ny ao an-trano ve ianao ?
Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Septambra 2016
Salamo 145,1 - 7
1 [Salamo abidy. Fiderana an'Andriamanitra, Mpanjaka be indrafo] Fideran'i Davida. Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô, Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria. 2 Hankalaza Anao isan'andro aho sy hidera ny anaranao mandrakizay doria. 3 Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; Ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany . 4 Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy Sy hanambara ny asanao lehibe. 5 Ny lazan'ny voninahitry ny fiandriananao Sy ny asanao mahagaga no hosaintsainiko. 6 Ny herin'ny asanao mahatahotra no hotenenin'ny olona; Ary ny fahalehibiazanao no holazaiko. 7 Hanonona ny fahatsiarovana ny haben'ny fahatsaranao izy Sy hihoby ny fahamarinanao.MANAMBARA NY ASAN’NY TOMPO NY MINO
SALAMO 145.1-7
« Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin’izay mandimby azy sy hanambara ny asanao lehibe » (and4)
1-Mampita ny fiderana amin’ny taranany ny mino
Ny Jiosy dia nanao izany ho zava-dehibe noho ny lalàna nifehy sy nitaizana azy . Ny kristiana ihany koa dia mandray avy amin’ny fampianaran’ny Soratra masina ny fanohizana ny fitaizana ny taranaka hatahotra an’ Andriamanitra , ka samy manao fiderana miavaka amin’ny hira na vavaka sy ny talenta hafa . Miseho amin’izany ny talentan’ny mpianakavy rehefa midera ny Tompo .
2-Manambara ny asan’ny Tompo ny mino
Ny mpanao Salamo dia nanana an’ Andriamanitra ho Mpanjakany , ary nanandratra isanandro ny Anarany masina satria tsapany ny hery sy fahefana niasan’ Andriamanitra tamin’ny fiainany . Ny nanomezan’ Andriamanitra ny Anarany dia mampahatoky ny mino Azy . Tao amin’i Jesoa Kristy no nanehoany izany ho antsika . I Jesoa no Mpanjaka mitondra ny fanjakany ao anatintsika mino Azy . Miasa tsy misy mahasakana mamonjy antsika isanandro Izy .
Fanontaniana :
Mampita ny fiderana sy ny asan’ny Tompo amin’ny ao an-trano ve ianao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM