Mampita hafatra amin’ ireo manana olana ny Tompo.

Mofonaina anio: Alahady, faha 28 Aprily 2024

Genesisy 21, 12-21

Genesisy 21, 12-21
12 Ary hoy Andriamanitra tamin'i Abrahama: Aoka tsy ho ratsy eo imasonao ny amin'ny zaza sy ny andevovavinao; fa izay rehetra lazain'i Saraha aminao, dia ekeo ny teniny, fa avy amin'Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao. 13 Nefa ny zanaky ny andevovavy kosa dia hataoko ho firenena, satria terakao ihany izy. 14 Dia nifoha maraina koa Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano, ary nomeny an'i Hagara ka napetrany teo an-tsorony ary natolony azy koa ny zaza, dia nampandehaniny izy mianaka; ary lasa nandeha izy ka nirenireny tany an-efitr'i Beri-sheba. 15 Ary rehefa lany ny rano tao amin'ny siny hoditra, dia nariany teo ampototry ny hazo kely anankiray ny zaza. 16 Dia lasa izy ka nipetraka ter? lavidavitra tandrifiny, tokony ho tra-tsipìka; fa hoy izy: Aza mba ho hitako anie izay hahafatesan'ny zaza. Ary nipetraka tandrifiny izy, dia nanandratra ny feony nitomany. 17 Ary ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza, dia niantso an'i Hagara Ilay Anjelin'Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe : Inona izato manjo anao, ry Hagara ? Aza matahotra, fa efa ren'Andriamanitra ny feon'ny zaza eo amin'ny itoerany. 18 Mitsa­ngana, areno ny zaza, ka tantano; fa hataoko firenena lehibe izy. 19 Dia nampahiratin'Andriamanitra ny mason'i Hagara, ka nahita lavaka fantsakana izy; ary lasa izy, dia nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza. 20 Ary nomban'Andriamanitra ny zaza. dia nitombo izy; ary nonina tany an-efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka. 21 Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan'ny reniny vady avy tany amin'ny tany Egypta izy.

Mampita hafatra amin’ ireo manana olana ny Tompo.

1- Henoy sy ekeo ny tenin’ny vady avy amin’ny Tompo.

« Fa izay rehetra lazain’i Saraha aminao dia ekeo ny teniny (and12). Hita fa mafy tamin’i Abrahama ny hisara-toerana amin’ny zanany avy tamin’i Hagara. Niandany tamin’i Saraha ny Tompo ary nanamarika fa mbola ho avy ny zanaky ny fanekena izay nampanantenainy.

2-Tanteraho hatrany ny toromarika omen’ny Tompo.

« Dia nifoha maraina Abrahama (and14). Ny fanarahana ny tenin’i Saraha no baiko eto. Notanterahan’i Abrahama izany. Ny fankatoavana ny baiko izay tsy takatry ny sainy no isan’ny maha rain’ny finoana an’i Abrahama.

3-Ampitao amin’ny Tompo ny fanahianao rehetra

« Ary ren’ny Tompo ny feon’ny zaza » (and17). Mihaino ny madinika tsy misy mpiahy ny Tompo. Hoy Jesoa: « Sambatra ny ory: fa izy no hampifaliana » (Mat 5,4). Ny zanany sy ny asan’ny tanany dia adidiny ihany (Isa45,11).

4- Mitsangana, miarèna

Aza variana mitanondrika na mamoy fo, henoy ny Tenin’ny Tompo. Mitsangana ka areno ny zaza (and17). Nihevitra i Hagara andevovavy fa rehefa lany ny rano sy ny vatsy dia ho vita hatreo ny fiainana fa miandry fahafatesana sisa no azo atao. Hafa anefa ny fihevitry ny Tompo. Manafaka Izy.

5- Miandany amin’ny olona mila vonjy ny Tompo

« Dia nampahiratan’ny Tompo ny mason’i Hagara » (and19) Tsy takatry ny saina ny fitantanan’ny Tompo. Izy no Tompon’ny aina. Izy no mandahatra ny fiainantsika. Masi-mandidy amin’izay hitondrany ny fiainan’ny olona Izy.

Fanontaniana

Inona no toetra azo alain-tahaka amin’i Abrahama eto?

Sampana Sekoly Alahady Foibe