Mampiorina ny mpanompony Andriamanttra

Mofonaina anio: Alahady, faha 06 Febroary 2022

Genesisy 15.7-21

Genesisy 15.7-21
7 Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao. 8 Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho? 9 Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala. 10 Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. 11 Ary nidina teo amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama. 12 Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy. 13 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy. 14 Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy. 15 Nefa ianao kosa ho any amin'ny razanao amin'ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry. 16 Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina at? izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita. 17 Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo. 18 Tamin'izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, 19 dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita 20 ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaita 21 ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.

Mampiorina ny mpanompony Andriamanttra

1 Milaza ny efa nataony

Nisalasa ny amin’ny fahatanterahan’ny Teny fampanantenana nataon’Andriamanitra taminy i Abrama. Nampahery sy nampiorina azy noho izany Andriamanitra ka nanambara fa Izy no nitondra ny fiainan’i Abrama niala tany amin’ny taniny ho any amin’ilay tany fampanantenana. Efa monina amin’io tany izy Abrama, efa nanatanteraka ny Teniny Andriamanitra koa tsy tokony hisalasala ny amin’ ny ho avy Izy.

2 Milaza ny zavatra hitranga

Manamafy hatrany Andriamanitra fa azo antoka ny Teniny, tena hanana taranaka i Abrama, ho tonga firenena lehibe izy. Ireo taranany ireo na dia efa nomena ny tany kanana ho lovany aza dia hifindra monina any an-tany hafa. Any amin’izany tany hifindrany izany dia hiharan’ny fampahoriana lalina izy ireo. Mitana ny fanekeny Andriamanitra ka hanafaka sy namerina azy ireo ao amin’ilay tany fampanantenana. Midika izany fa ny ho avin’ny taranak’i Abrama dia mbola eo an-tanan’ Andriamanitra.

3 Manorina fanekena

Nasain’Andriamanitra naka biby atao fanatitra izy : ombivavy, osivavy, ondrilahy izay samy nosilahany ary koa domoina sy zana-boromailala. Rehefa alina ny andro dia nandeha namaky ny ireo biby voasilaka ireo Andriamanitra. Izany no marika fa manao ny fanekena tamin’i Abrama izy, nisy koa fanambarana nataony feo tafapaka tamin’i Abrama.

Fanontaniana :
Inona no tokony hatao handresena ny tsy finoana ?