Mampiorina ny mino ny Tenin’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 01 Febroary 2021
SALAMO 18.28-36
SALAMO 18.28-36
28 Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako. 29 Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda. 30 Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy. 31 Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? 32 Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako. 33 Manao ny tongotro ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo. 34 Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko. 35 Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy. 36 Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.Mampiorina ny mino ny Tenin’ Andriamanitra
Ny mampiavaka ny Tenin’Andriamanitra
« Ny Tenin’i Jehovah dia voazaha toetra amin’ny memy » (sal 18.30)
Misaotra an’ Andriamanitra noho ny famonjena noraisiny sy ny vahoaka Israely i Davida . Ity Salamo ity dia maneho ny finoany an’ Andriamanitra . Aharihariny miaraka amin’izany fa miavaka ny Tenin’ Andriamanitra .
1-Marina :
Ny hoe : « voazaha toetra » dia nentiny nilazana fa tena azo antoka ,tena marina ny Tenin’Andriamanitra . tsapan’i Davida fa tena marina . Nisy fiantraikany teo amin’ny fiainany ny Tenin’ Andriamanitra izay ninoany sy nankatoaviny . Nandalo fitsapana , niatrika ady mafy mafy izy kanefa na dia izany aza noho ny fananany sy fankatoavany ny Tenin’ Andriamanitra dia nivoaka ho mpandresy izy . Tenin’Andriamanitra no nanazava ny làlana nombany .
2-Maharitra :
Ny hoe: « voazaha toetra tamin’ny memy » dia azo ambara hoe : nosedraina tamin’ny afo, toy ny fisedrana volamena . Marina sy azo antoka ka tsy ho levona tao anatin’ny afo . Vao maika aza nadio sy mamiratra ny volamena nosedraina . Izany toe-javatra izany no entin’i Davida , manambara fa tena miavaka ny Tenin’Andriamanitra . Teny maharitra sy mampandresy , mampijoro mandrakariva ny manana azy .
Fanontaniana :
Manao ahoana ny asan’ny Tenin’ Andriamanitra teo amin’ny fiainanao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM