Mampiorina ny mino ny fanavotan’i Kristy
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 12 Aprily 2021
LIOKA 24.13-24
LIOKA 24.13-24
13 Ary, indreo, nisy roa lahy tamin'ireny nandeha tamin'izany andro izany hankany amin'ny vohitra atao hoe Emaosy, tokony ho enim-polo stadio* raha any Jerosalema.[*Na: Roa ambin'ny folo kilometatra] 14 Dia niresaka ny amin'izay zavatra rehetra nanjo izy. 15 Ary raha mbola niresaka sy niara-nisaina izy, dia nanatona Jesosy ka niaraka taminy. 16 Nefa ny mason'ireo nohazonina mba tsy hahafantarany Azy. 17 Ary hoy Izy taminy: Ahoana izao teny resahinareo et? am-pandehanana izao? Dia nijanona ireo sady nalahelo tarehy. 18 Ary ny anankiray, izay atao hoe Kleopasy, namaly ka nanao taminy hoe: Hianao irery va no vahiny mitoetra any Jerosalema tsy mba mahalala* izay zavatra tonga tao tamin'izao andro izao?[* Na: Vahiny mitoetra irery angaha Hianao any Jerosalema ka tsy mahalala] 19 Fa hoy Izy taminy: Zavatra manao ahoana moa izany? Ary hoy izy roa lahy taminy: Ny amin'i Jesosy avy any Nazareta, mpaminany mahery tamin'ny asa sy ny teny teo anatrehan'Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, 20 dia ny amin'ny nanoloran'ny lohan'ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika Azy hanamelohany Azy ho faty, sy ny nanomboany Azy tamin'ny hazo fijaliana. 21 Nefa nantenainay fa Izy no Ilay efa hanavotra ny Isiraely; ary tsy izany ihany, fa androany no andro fahatelo hatr'izay nahatongavan'izany. 22 Nefa kosa ny vehivavy sasany izay namanay nahahavery hevitra anay, fa tany amin'ny fasana maraina koa izy, 23 ary raha tsy nahita ny faty izy, dia tonga ka nilaza fa efa nahita anjely niseho kosa, izay nilaza fa velona Izy. 24 Dia nandeha ny sasany izay nomba anay ka nankany amin'ny fasana, ary nahita araka izay nolazain'ny vehivavy; nefa Izy tsy hitany.Mampiorina ny mino ny fanavotan’i Kristy
1-Tsy mamela antsika ho irery Izy
Nandeha teny an-dàlana ho any amin’ny tanàna iray atao hoe : Emaosy ireto roalahy mpianatry ny Tompo . Teny an-dàlana dia very hevitra sy nalahelo noho ny toe-java-nisy , dia ny nisamborana sy namonoana an’i Jesoa izany . Ary raha nandeha izy ireo dia indro nisy olona fahatelo nanatona mba hiaraka aminy . Tsy iza io fa i Jesoa (and15) . Niseho ho mpanara-dia tamin’ireo mpianany Izy teto . Tsy nandeha nanara-dia fotsiny anefa i Jesoa fa niresaka tamin’izy ireo . Ary nanambaran’izy ireo ny fahorian-tsainy . Ao anaty fahoriana ve isika sa ao anaty fahasahiranana ? Tsarovy fa tsy mba manary antsika i Jesoa fa manjohy antsika hatrany . Meteza hiresaka Aminy ny amin’ny fahoriana sy ny adi-tsaina misy eo amintsika .Ahoana , hoy i Jesoa ? Mat 11.28). Ary koa (Jao 10.10)
2-Mitari-dàlana antsika Izy
Rehefa nandeha teny an-dàlana ireto mpianatra roalahy dia niresaka ny zava-nitranga izay nampalahelo azy ireo , dia ny fahafatesan’i Jesoa izay nantenainy ho mpanavotra . Rehefa niara-dàlana tamin’izy ireo Jesoa dia nametraka fanontaniana izao dia mamerina ny tantara tao an-tsaina sy tao am-pon’ireto mpianatra ireto . Tsara tokoa raha miverina manontany ny tena finoantsika isika amin’izao andro izao . Jereo ny and 22 fa nahavery hevitra ny mpianatra ny zava-nisy . Toa mifanohitra amin’ny filazany eo amin’ny and 19 izany . Izay nilazany fa Mpaminany nahery tamin’ny asa sy ny teny i Jesoa . Fantany tsara isika ka mametra-panontaniana Izy hampazava ny saintsika indray .
Fanontaniana :
Efa nisafidy ny hiara-dàlana amin’i Jesoa ve ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM