Mampiorina ny mino ny fanavotana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 19 Aprily 2021
1 TIMOTY 2.1-7
1 TIMOTY 2.1-7
1 [Ny amin'ny fivavahana ho an'ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana miendrika ny vehivavy Kristiana] Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, 2 ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. 3 Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, 4 Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina. 5 Fa iray no Andriamanitra, ary iray no Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olona, dia Kristy Jesosy, Izay olona, 6 sady nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra, dia zavatra ho fitory amin'izao androny izao. 7 Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana.Mampiorina ny mino ny fanavotana
1-Iray ny mpanalalana…Kristy Jesoa ( and 5)
Ny mpanoratra Dia manambara amintsika fa ny hany hahafahantsika manatona an’ Andriamanitra eo amin’ny seza fiandrianan’ ny fahasoavany dia tsy misy afa-tsy amin’ ny alalan’ i Jeso Kristy . Izy no mpanalalana sy mpisorona ho antsika ( Heb 4.14-16) . Izy no mifona ho antsika eo an-tanan’ ankavanan’ Andriamanitra Ray . Ny fanavotan’ i Kristy ny mino no handraisany ny famonjena sy ny famindrampo.Izy no mpanalalana.Koa miorena tsara amin’ ny finoana noho ny fanavotana .Raiso Izy ho Tompon’ ny fiainanao .Fa hoy Soratra Masina : » Izaho no lalàna sy fahamarinana ary Fiainana.Tsy misy olona mankany amin’ ny Ray afa-tsy amin’ ny alalany » (Jao 14.6)
2- Izy no avotra hisolo ny maro ( and 6)
Ny hoe: avotra dia misy hevitra hoe : vola na zavatra’ efaina ho tambin’ny fahafahana . Ny asa fanavotan’ i Kristy dia ny fahafatesana mihitsy no nanefany ny fanafahana ho avotra hisolo ny maro , ho afaka amin’ ny fahefan’ ny ota. Kristy no lalàna mankany amin’ ny Ray ho lalam-pamonjena ho antsika mpino (Jao 14.6/ Asa 4.12) .Omena maimaimpoana izany ao amin’ i Jeso Kristy (Rom 3.24) miorina amin’ ny fahafatesany (Rom 3.25/5.8) sy ny fitsanganany tamin’ ny Maty . Mahalala antsika Izy ary manaiky hitovy amintsika . Ny maha-olona an’ i Kristy no nahafahany nanefa ny sandan’ ny fanavotana antsika. I Jesoa Kristy,Ilay Zanak’Andriamanitra no avotra ho ahy sy ho anao. Mifalia fa efa olom-boavotra ianao rehefa nandray an’i Jeso ho Tompo sy Mpamonjinao . Ankalazao ny Anarany Masina.
Fanontaniana :
Mahatsiaro ve ianao fa olona efa navotan’ i Kristy?
Sampana Sekoly Alahady Foibe FJKM