Mampiorina antsika ny Fanahin’Andriamanitra
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 10 Mey 2021
GENESISY 41.37-46
GENESISY 41.37-46
37 Ary sitrak'i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany. 38 Dia hoy Farao tamin'ny mpanompony: Hahita lehilahy tahaka io, izay manana ny Fanahin'Andriamanitra ao anatiny, va isika? 39 Ary hoy koa Farao tamin'i Josefa: Satria efa nampahafantarin'Andriamanitra anao izany rehetra izany, dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao; 40 koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra; ny seza fiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao. 41 Ary hoy indray Farao tamin'i Josefa: Indro, efa nanendry anao hanapaka ny tany Egypta rehetra aho. 42 Dia nesorin'i Farao ny peratra tamin'ny tanany ka nataony tamin'ny tànan'i Josefa, dia nampitafiny rongony fotsy madinika izy, ary nasiany rojo volamena ny vozony; 43 dia nampitaingeniny teo anatin'ny kalesiny faharoa izy, ary ny vahoaka niantso teo alohany nanao hoe: Mandohaleha; ary notendreny ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra izy. 44 Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Izaho no Farao, ary raha tsy teninao, dia tsy hisy olona hanetsika ny tànany na ny tongony eto amin'ny tany Egypta rehetra. 45 Ary nataon'i Farao hoe Zafenata-panea no anaran'i Josefa; dia nomeny azy Asenata, zanakavavin'i Poti-fera, mpisorona tao Ona, ho vadiny. Ary Josefa nandeha nitety ny tany Egypta. 46 Ary efa telo-polo taona Josefa, raha niseho teo anatrehan'i Farao, mpanjakan'i Egypta. Dia niala teo anatrehan'i Farao Josefa ka nandeha nitety ny tany Egypta rehetra.Mampiorina antsika ny Fanahin’Andriamanitra
Sahiran-tsaina ny mpanjaka noho izy nanonofy hafahafa . Nampiantso an’i Josefa izy mba hanambara aminy ny hevitry ny nofiny . Mahagaga ny asan’ny Fanahy :
1-Manolo-tsaina
Nolazain’i Josefa tamin’i Farao ny hevitry ny nofiny . Nambarany ihany koa izay tokony hataon’ny mpanjaka manoloana izany . Ny Fanahin’Andriamanitra izay tao amin’i Josefa no nahafahany nanao izany rehetra izany fa tsy ny fahatakaran-tsainy fotsiny amin’izao (Gen 41.16) . Ny Fanahy Masina dia manolo-tsaina izay rehetra itoerany sy manaiky ny fitarihany . Manampy antsika amin’ny fahatakarana ny sitrapon’Andriamanitra Izy, na dia amin’izay zavatra heverina ho saro-pantarina indrindra aza . Mampahalala antsika ny tokony hatao amin’ny ho avy rehetra Izy raha manetry tena ka manaiky sy mihaino ny fitarihany isika .
2-Manandratra ny mpanompony
Nanaiky sy nankato izay rehetra nambaran’i Josefa ny mpanjaka ka nanendry azy ho mpanapaka ao amin’ny fanjakany . Afaka tamin’ny tranomaizina izay nametrahana azy i Josefa sady tonga praiministra tao Egypta . Fianarana ho antsika izao nasehon’iFarao izao : na dia hafa firenena aza i Josefa dia tsy nahasakana an’i Farao hanendry azy izany . Ny zava-dehibe taminy dia ny fahalalana fa olon’Andriamanitra izy . Ny olona izay hita sy tsapa fa itoeran’ny Fanahin’Andriamanitra no tokony hotendrena na hofidiana hanolo-tsaina sy alaina ho namana mpiara-miasa , raha tiana handroso ny firenena . Ny Fanahy Masina izay mitoetra ao anatintsika dia hanandratra antsika amin’ny fotoany ,na dia mandalo ady sarotra aza isika . Meteza àry hanaraka ny fitarihan’ny Fanahy masina .
Fanontaniana :
Ahoana ny hevitrao mikasika ireo olona izay milaza fa mahalala ny hevitry ny nofy ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM