Mampiombona ny mpino ny Tompo sady

Mofonaina anio: Zoma, faha 15 Aogositra 2025

(Sal 81 / Hira 307 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira HF47)

Hagay 2,1 - 9
1 [Ny voninahitry ny tempoly vaovao, sy ny fitahiana ho azon'ny olon'Andriamanitra] Tamin'ny andro fahiraika amby roa -polo tamin'ny volana fahafito no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah nentin'i Hagay mpaminany nanao hoe: 2 Lazao amin'i Zerobabela, zanak'i Sealtiela, governora any Joda, sy amin'i Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe, ary amin'ny sisa amin'ny vahoaka hoe: 3 Iza no mbola sisa aminareo, izay nahita ity trano ity tamin'ny voninahiny taloha ? Fa manao ahoana kosa ny fahitanareo azy izao? Moa tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo ity? 4 Nefa mahereza ankehitriny, ry Zerobabela, hoy Jehovah; ary mahereza, ry Josoa, zanak'i Jozadaka, mpisoronabe; ary mahereza, ianareo vahoaka rehetra, hoy Jehovah, ka miasà; fa Izaho no momba anareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, 5 araka ny teny fanekena nataoko taminareo, fony nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary ny Fanahiko dia mbola mitoetra ao aminareo ihany; koa aza matahotra ianareo. 6 Fa izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Indray maka koa, raha afaka kelikely, dia hampihorohoroiko ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina sy ny tany maina; 7 ary hampihorohoroiko koa ny firenena rehetra, ka ho avy izay irin'ny firenena rehetra; ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 8 Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. 9 Ny voninahitr'ity trano ity any am-parany dia ho lehibe noho ny tany aloha, hoy Jehovah, Tompon'ny maro; ary eto amin'ity fitoerana ity no hanomezako fiadanana, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.

« Nefa mahereza ankehitriny… ary mahereza ianareo vahoaka » (and 4). Samy omen’ny Tompo fampaherezana na ny mpitarika toa an’i Zerobabela sy Josoa, zanak’i Jozadaka na ny vahoaka, manoloana ny faharavan’ny Tempoly. Variana nifantoka tamin’izay mahasoa azy ireo manokana izy ireo. Mampahery azy ireo kosa ny Tompo mba, hahafahany miatrika ny andraikitra lehibe izay miandry azy. Mampahery antsika Jesoa ka maniraka antsika ho amin’ny asa fanompoana.

« Mahereza ianareo ka miasà » (and.4d). Manome hery hoenti-miasa ny Tompo. « Tsy nomeny fanahy osa isika fa Fanahy mahery sy fitiavana » (2Tim 1,7). Nibaiko ny mpanompony hanatanteraka ny fanarenana ny Tempoly ny Tompo. Mandraka ankehitriny dia mbola mampahatsiaro antsika ny Tompo ny amin’ny fikolokoloantsika ny tenantsika izay Tempolin’ny Fanahy Masina (IKor 3, 16-18). Mbola asa iray manokana ny fanarenantsika ny Tempolin’ Andriamanitra dia ny tenantsika izany.

« Ary hofenoiko voninahitra ity trano ity, hoy Jehovah, Tompon’ny maro » (and 7); « Ny voninahitr’ity trano ity any am-parany dia lehibe noho ny tany aloha » (and 9). Mampanantena ny mpanompony fanarenana miavąka ny Tompo satria: « Azy ny volafotsy, ary azy ny volamena » (and8). Mamelona ny fanantenantsika lanitra vaovao sy tany vaovao izany.

Inona avy ireo fampaherezana voalaza eto?