Mampiomana ny mpanara-dia Azy i Jesoa.

Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Mey 2025

(Sal 46. 1-3 / Hira 21 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 642)

Marka 13.9-11
9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy. 10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. 11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina.

Mampiomana ny mpanara-dia Azy i Jesoa.

1- Hisy ny sakantsakana amin’ny asa fitoriana.

Tamin’ny toriteny izay nataon’i Jesoa tao an-tendrombohitra Oliva no nilazany ny momba ireo famantarana ny fiandohan’ny fahoriana izay hiseho amin’izao tontolo izao. Ankoatra ny fisian’ny mpaminany sandoka sy ny filazana ady mbamin’ny loza voa-janahary, dia nambaran’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy hiharan’ny fanenjehana sy ny fampahoriana isan-karazany izay rehetra manaraka Azy. Hatolotra hotsaraina eo anatrehan’ny Antenimiera jiosy na ny Synedriona izy ireo ka homelohina sy hokapohina noho ny fanarahany an’i Jesoa. Hanenjika sy hanameloka azy koa ny manam-pahefana jentilisa. Noho izany dia tsy tokony ho zavatra hahagaga ny mpino ny fankahalana sy ny fanenjehana samihafa mihatra aminy noho ny fijoroany ho vavolombelon’i Jesoa Kristy. Tsy hahafoana ny fitoriana ny Filazantsara anefa izany: « Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. » (and.10)

2- Hisolovava ny Fanahy Masina

Tsy tokony hatahotra na hihemotra manoloana ireo fanenjehana izay hihatra aminy ny Kristiana. Satria manana ny Fanahy Masina izy, izay mitari-dalana sy misolovava azy amin’ny fotoana rehetra izay ilana izany. Eto no anamarinana fa tena miandany amin’ny mpanompo izay irahiny amin’ny asa fitoriana ny Filazantsara ny Tompontsika: « Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo amin’izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. » (and.11)

Fanontaniana:

Raha ny Fanahy Masina tokoa no Mpisolovava antsika, mbola ilaina fanomanana ve ny fitorian-teny sy ny fampianarana?

Sampana Sekoly Alahady Foibe