Mampanjaka ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Jona 2022
Salamo 24,1 - 10
1 [Fiomanana handray ny Mpanjakan'ny voninahitra] Salamo nataon'i Davida. An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy. 2 Fa Izy no nanorina azy tambonin'ny ranomasina. Tambonin'ny rano no nampitoerany azy. 3 Iza no hiakatra any an-tendrombohitr'i Jehovah? ary iza no hitoetra ao amin'ny fitoerany masina? 4 Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy manandratra ny fanahiny ho amin'ny lainga, na mianiana hamitaka. 5 Handray fitahiana avy amin'i Jehovah izy, ary fahamarinana avy amin'Andriamanitry ny famonjena azy. 6 Izany no taranaka mitady Azy, izay mitady ny tavanao, dia Jakoba*. [Na: Izay mitady ny tavanao, ry Andriamanitr'i Jakoba] 7 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady, ary misandrata ianareo, ry varavarana fahagola*, mba hidiran'ny mpanjakan'ny voninahitra.[Na: mandrakizay] 8 Iza izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah mahery tsitoha, Jehovah mpiady mahery. 9 Asandrato ny lohanareo, ry vavahady; ary manandrata ny lohanareo, ry varavarana fahagola,2 mba hidiran'ny Mpanjakan'ny voninahitra. 10 Iza ary izao Mpanjakan'ny voninahitra izao? Jehovah, Tompon'ny maro, Izy no Mpanjakan'ny voninahitra.Mampanjaka ny fahefany ny Tompo
« An’i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy. Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy » (Salamo 24.1)
1- Tompony Izy sady tompon’antoka aminy.
Ny tany sy izay rehetra eo aminy no tiana hambara amin’izany. Izany dia mampahatsiahy ny famoronan’Andriamanitra izao tontolo izao. Nohariany ny tany sy ireo zava-maminy. Asan’ny tànany avokoa ireny rehetra ireny. Ary mbola ampahatsiahivina antsika eto izany , Satria misy ny olona toa kivy am-pandehanana eto amin’ity izao tontolo izao ity. Aoka tsy hohadinointsika fa narindran’Andriamanitra tamin’ny fahendreny ny famoronana izao rehetra izao. Mbola Azy izany mandraka ankehitriny. Eny na isika olombelona aza eto amin’ity tany ity dia Azy. Vakio ny Isaia 45.11.
2- Tafiditra amin’ny drafi-pamonjeny
Ny tsy fanajana ny tontolo iainana no mampiseho ny fahambaniantoetrantsika olombelona sy hanaovana tsinontsinona Ilay nahary azy. Feno faharatsiana ny tany sy ny mponina eo aminy. Koa raha tiantsika ho tonga lafatra ny tany dia tsy maintsy miverina amin’ny Mpamorona isika. Ny didiny sy ny fitsipiny no mamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra. Izany no tiany hambara amin’ny 17, 14 .
Fanontaniana :
Tsaroanao ve fa an’Andriamanitra ianao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM