Mampanjaka ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 19 Jona 2022
Habakoka 2,15 - 17
15 Lozan'izay mampisotro divay ny namany Dia ianao izay manampy fahatezerana ka mampahamano azy, Mba hijery ny fitanjahany; 16 Efa feno henatra ianao, fa tsy voninahitra; Mba sotroy koa, ka mitanjaha*; Hatolotra anao ny kapoaka eny an-tanana ankavanan'i Jehovah, Ary fahamenarana no ho amin'ny voninahitrao. [Na: aoka ho hita fa tsy voafora ianao] 17 Fa hanody anao ny loza natao tamin'i Libanona Sy ny fandringanana mahatahotra namelezana ny biby, Noho ny ran'ny olona sy ny loza natao tamin'ny tany, Dia tamin'ny tanàna sy ny mponina rehetra ao aminy.Mampanjaka ny fahefany ny Tompo
Manomboka eny amin’ny and 6 no ahitantsika izao filazana loza izao. Eto amin’ity and 15 ity no ambarany ny loza hanjo izay mampisotro divay ny namany
1- Aza mitarika ny olona ho amin’ny faharatsiana
Loza ho fitsarana ny ataon’ny olona ity voalaza eto ity. Ireo loza tanisaina ireo moa dia voasokajy ao amin’ny loza dimy hamaliana ny Babylona. Ny ratsy nataon’izy ireo dia ny nanome divay ka nampahamamo ny namany mba hijery ny fitanjahany. (Vakio Oha 20.1). hitantsika eo amin’ny and. 16 fa zava-mahatezitra an- Andriamanitra izany. Zava-doza eo anatrehan’ny Tompo ny fanosehana ny olona ho amin’ny faharatsiana, tahaka izao fanamamoana izao mba hitanjahan’ny namana.
2- Hisy famaliana ny mpanao ratsy
Fanontaniana napetrak i Habakoka tamin’ny Tompo any amin’ny toko 1 ny hoe : nahoana no tsy mihetsika mihitsy Andriamanitra manoloana ny faharatsiana tafahoatra? Dia misy ireo valiny samihafa nanehoa’n Andriamanitra ireny faharatsiana ireny. Ary eto amin’ity perikopantsika ity dia ny famaliana ny Babylona no miseho. Tsy ho afa-maina ny mpanao ratsy sy ny mpandringana (and. 17) fa hisy ny famaliana lehibe sy mahatahotra. Fa ny tànana ankavanan i Jehovah mihitsy no hikapoka azy. Andeha hialana ny fanao ratsy handosirantsika izany.
Fanontaniana:
Mahita zava-tsoa avy amin’ny toaka ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM