Mampanjaka ny fahefany ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 25 Jona 2022
Apokalypsy 5,1 - 14
1 [Ny nandraisan'ny Mpanavotra ny boky izay nisy tombo-kase fito, sy ny hira natao ho fiderana Azy] Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin'ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. 2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely mahery niantso tamin'ny feo mafy hoe: Iza no miendrika hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny? 3 Ary tsy nisy tany an-danitra, na tet? an-tany, na tany ambanin'ny tany, nahasokatra ny boky na nahajery azy. 4 Ary nitomany mafy aho, satria tsy nisy hita miendrika hanokatra ny boky na hijery azy. 5 Ary ny anankiray tamin'ny loholona* nanao tamiko hoe: Aza mitomany; indro, ny Liona avy amin'ny firenen'i Joda, dia ny Solofon'i Davida, no efa naharesy ka hanokatra ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny fito. [* Gr. presbytera] 6 Ary hitako fa, indro, teo afovoan'ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina efatra ary teo afovoan'ny loholona* dia nisy Zanak'ondry nitsangana tahaka ny efa voavono, nanan-tandroka fito sy maso fito, dia ny Fanahy fiton'Andriamanitra nirahina hankany amin'ny tany rehetra. [* Gr. presbytera] 7 Ary tonga Izy ka nandray ny boky teo an-tanana ankavanan'ilay nipetraka teo ambonin'ny seza fiandrianana. 8 Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona* efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan'ny Zanak'ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon'ny olona masina izany. [* Gr. presbytera] 9 Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Hianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; Fa voavono Hianao, Ary ny rànao no nanavotanao* ho an'Andriamanitra olona avy tamin'ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny sy ny olona ary ny firenena rehetra; 10 Ary efa nataonao fanjakana sy mpisorona ho an'Andriamanitsika ireo; Ary manjaka ambonin'ny tany izy. 11 Ary nahita aho sady nandre feon'anjely maro manodidina ny seza fiandrianana sy ny zava-manan'aina ary ny loholona*, ary ny Isany dia alinalina sy arivoarivo, [* Gr. presbytera] 12 nanao tamin'ny feo mahery hoe: Ny Zanak'ondry, Izay novonoina, dia miendrika handray hery sy harena sy fahendrena sy faherezana sy haja sy voninahitra ary saotra. 13 Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay et? ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. 14 Ary ny zava-manan'aina efatra nanao hoe: Amena. Ary ny loholona* dia niankohoka ka nivavaka. [* Gr. presbytera]Mampanjaka ny fahefany ny Tompo
1- Liona : Eo amin’ny and.5 dia voalaza hoe: indro ny Liona avy amin’ny fanjakan’i Joda. Ny Liona dia entina maneho ny Mpanjakan’ny biby. Ka ilay Mpanjaka feno hery sy fahefana amin’ny toerana izay tapahiny. Oharina amin’ny Liona mpanjaka i Kristy sy ny fahefany amin’izany. Ary amin’ny voahary manontolo dia izy no noheverina sy ninoana fa matanjaka indrindra.
2- Zanak’ondry : Ny Zanak’ondry no tena anarana namantarana an’i Jesoa raha manatanteraka ny asa famonjena Izy. Amin’izany dia Zanak’ondry tsy misy kilema no anambarana azy indraindray, Zanak’ondry na mora ilazana ny fahatanterahan’ny sorona nataony ho fanavotany antsika olombelona mpanota. Ka amin’izany dia mby ao an tsaina ilay fanati-panavotrana tsy manam-paharoa notanterahiny indray mandeha monja teo amin’ny hazo fijaliana .
Fanontaniana:
Efa nisafidy izay hitokianao ve ianao?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM