Mampandresy ny mpanompony Andriamanitra

Mofonaina anio: Alahady, faha 14 Mey 2023

16 Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana.17 Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo aty amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon'ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.18 Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.

1 Tantara 12,16 - 18
16 Ary nisy tamin'ny taranak'i Benjamina sy Joda nankany amin'i Davida tany amin'ny fiarovana. 17 Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo at? amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon'ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany. 18 Ary Amasay, lehiben'ny mpanafika malaza*, dia nampitenenin'ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak'i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an'ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin'i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.[Na: ny telo-polo lahy]

Asongadin’ny mpanoratra eto ny fomba nentin’Andriamanitra nampandresy an’i Davida tamin’ny ady izay natrehiny

Nandray anjara tamin’ny fanohanana an’i Davida ka nahatongavany amin’izao toerana maha mpanjaka azy izao ireo tafika sy vatan-dehilahy mahay miady avy amin’i foko samihafa; ary isan’izany ny avy amin’ny taranak’i Benjamina sy Joda (and.16). Maneho ny fiandanian’Andriamanitra aminy ny fisian’ireo mpanohana azy ireo. Lehilahy hendry sy malina anefa i Davida, sady efa mpitari-tafika rahateo ka heveriny fa tsy izay rehetra maniry hikambana aminy dia ho azo antoka avokoa. Tsy maintsy mamotopototra izay rehetra milaza fa hanohana na hiandany aminy izy aloha, sao sanatria ireny ihany no hamadika. Nambarany tamin’ireo fa Andriamanitra izay itokiany no hijery sy hamaly izay mikasa hamadika azy (and.17)

Ny Fanahin’Andriamanitra izay niasa tao amin’i Amasay no nampiteny azy ka nanome toky an’i Davida ny amin’ireto olona vonona hanampy azy ireto, fa hoy indrindra izy «Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak’i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao» (and.18). Hita mazava fa Andriamanitra mihitsy no miasa amin’ny alalan’ny Fanahiny ka mampisinda ny ahiahy tao amin’i Davida. Amin’ny maha olombelona antsika dia betsaka ny zavatra tsy takatry ny saina sy mampiahiahy. Mila ny fitarihan’ny Fanahy Masina isika mba hananantsika toky ny amin’izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra amintsika.

Ahoana no ahafantarana fa miandany amintsika Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM