Mampanantena fifaliana ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 18 Desambra 2021
ISAIA 66.5-14
ISAIA 66.5-14
5 Mihainoa ny tenin'i Jehovah, Hianareo izay mangovitra noho ny teniny! Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo, Ka mandroaka anareo noho ny amin'ny anarako: Hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, Mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa. 6 Injany! horakoraka any an-tanàna, Ary feo ao amin'ny tempoly, Dia feon'i Jehovah izay mamaly ny ataon'ny fahavalony. 7 Fony mbola tsy nihetsi-jaza aza izy, dia niteraka; Fony mbola tsy nanaintaina aza izy, dia velon-jazalahy. 8 Iza akory no efa nandre zavatra toy izany? Iza no efa nahita zavatra toy izany? Hisy tany hateraka indray andro va, Na firenena azo atao indray miteraka? Fa raha vao narary hiteraka Ziona, dia velon-jaza izy. 9 Izaho moa hahatonga ho eo amin'ny fiterahana ka tsy hampiteraka va? hoy Jehovah; Izaho hampiteraka, nefa hampikombona indray va? hoy Andriamanitrao. 10 Miaraha mifaly amin'i Jerosalema, Ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy; Aoka hiara-mifaly aminy tokoa Hianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy, 11 Mba hinonoanareo sy hivokisanareo amin'ny nonony mahafaly, Eny, mba higoka ianareo, Ka hiravoravo amin'ny haben'ny voninahiny. 12 Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, hitarihako fiadanana tahaka ny ony izy, Ary ny voninahitry ny firenena tahaka ny renirano tondraka, Ka hinono ianareo; Ary hosakalehina ianareo sady hohindrahindraina eo ambony lohalika. 13 Tahaka ny olona ampiononin-dreniny No hampiononako anareo; Eny, ao Jerosalema no hampiononana anareo. 14 Dia hahita izany ianareo, ka ho faly ny fonareo, Ary ny taolanareo ho tsara fitombo tahaka ny ahi-matiso; Ary ny tànan'i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony, Fa ho tezitra amin'ny fahavalony kosa Izy.Mampanantena fifaliana ny Tompo
Babo tany Babylona ny zanak’Israely. Tao ireo izay tsy naharitra ka nanompo ny andriamanitry ny Babyloniana , tao koa anefa ireo izay nifikitra tamin’ny fivavahana tamin’i Jehovah .
1-Raisiny an-tànana ny fanafahana
Amin’ny fotoana sarotra no ahitana izay tena matoky an’Andriamanitra sy miandrandra famonjena avy aminy . Asehony fa Izy Tompo no mamonjy sy manafaka ny olony : manome fifaliana sy firavoravoana ho azy , mamerina azy amin’ny taniny mba hahafahany mankalaza Azy . Amin’ny fomba mahagaga sy tsy takatry ny saina mazàna no hanehoan’Andriamanitra ny hery sy fahefany ka hanomezany fifaliana noho ny fanavotany ary koa hanehoany ny voninahiny (and5) . Miaraha mifaly amin’i Jerosalema , ary miravoravoa aminy ianareo rehetra izay tia azy. Aoka hiara-mifaly aminy tokoa (and10) ianareo rehetra izay malahelo noho ny aminy . Tonga Jesoa hanafaka antsika !
2- Izy no hamely ny fahavalon’ny Jiosy
Nahatonga ny fahatezeran’i Jehovah ny esoeson’ireo Jentilisa sy ireo Israely sasany izay efa nivadika tamin’i Jehovah ka nanilikilika ireo izay manaja Azy . Fitiavana mandrakizay no nitiavan’Andriamanitra antsika , ary tsy ny eso sy ny latsa ataon’ny mpanenjika sy ny mpanota akory no hahafoana izany . Tsarovy fa Jesoa Kristy dia efa niaritra eso sy latsa toy izany , kanefa dia tsy namaly . An’Andriamanitra ny ady fa tsy an’olona , ka izay mitsangana hiady amin’ny olony dia miady Aminy . Apetraho Aminy ny fanahiana rehetra fa Izy no hiady ho antsika . « Ary ny tànan’i Jehovah dia ataony fantatry ny mpanompony . Fa ho tezitra amin’ny fahavalony kosa Izy » (and 14b)
Fanontaniana :
Efa nandalo fizahan-toetra ve ianao ? Ahoana ny fomba nentinao niatrika zany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM