Mampahery ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Talata, faha 14 Mey 2024
Mpitsara 14.5-11
Mpitsara 14.5-11
5 Dia nidina Samsona sy ny rainy aman-dreniny nankany Timna. Ary nony tonga tao amin'ny tanim-boaloboka tany Timna izy, indro, nisy liona tanora nierona taminy. 6 Dia nilatsaka tamin'i Samsona ny Fanahin'i Jehovah, ary ilay liona tanora dia nosamatsamahiny hoatra ny fanasamaka zanak'osy, nefa tsy nisy na inona na inona teny an-tànany; ary tsy nambarany tamin'ny rainy na tamin'ny reniny izay efa nataony. 7 Dia nidina izy ka niresaka tamin-dravehivavy; ary nahafinaritra an'i Samsona izy. 8 Ary rehefa afaka kelikely, dia niverina hampakatra azy Samsona ka nivily hizaha ny fatin'ilay liona; ary, indro, nisy reni-tantely nivangongo sy tantely tao amin'ilay fatin'ny liona. 9 Ary nalain'i Samsona izany ka nentiny teny an-tànany, dia nihinana teny am-pandehanana izy; ary nankany amin'ny rainy aman-dreniny izy, dia nanome azy, ka nihinana koa izy mivady; nefa tsy nambarany taminy fa tao amin'ny fatin'ilay liona no nangalany ny tantely. 10 Dia nidina ho any amin-dravehivavy ny rain'i Samsona; ary nanao fanasana teo Samsona, fa izany no fanaon'ny zatovo. 11 Ary rehefa nahita azy izy mianakavy, dia nametraka namana telo-polo lahy hitoetra ao aminy.Mampahery ny Fanahy Masina
Nifidy an’i Samsona Andriamanitra mba ho fiasana eo am- pelatanany hanehoany ny heriny amin’ny Filistina:
1- Nomena ny Fanahy i Samsona.
Tovovavy filistina iray no tian’i Samsona hampakarina ho vadiny. Gaga sady taitra ny ray aman-dreniny raha nilazany izany fanapahan-keviny izany satria tsy mba fanao teo amin’ny Israely ny manambady olona hafa firenena, sady voararan’i Jehovah rahateo izany. Rehefa tsy azo nahodina tamin’ny heviny i Samsona, dia niroso ho any Timna, tanàna misy ilay tovovavy izy sy ny ray aman-dreniny mba hampakatra azy. Navelan’Andriamanitra hiseho izany fizirizirian’i Samsona amin’ny heviny izany, nefa tsy maintsy hisy voka-dratsy eo amin’ny tantaram- piainany izany rehefa aty aoriana. Nampiasain’Andriamantra hahatanteraka ny fikasany momba ny hamelezana ny Filistina i Samsona (and.4), na dia nanota aza, ka nalatsany tao aminy ny Fanahiny, dia tonga natanjaka izy.
2- Niseho ny heriny.
Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia notafihin’ny liona i Samsona. Nahagaga fa vitan’i Samsona ny nanasamatsamaka sy namono ho faty ilay liona, na dia tsy nisy na inona na inona aza teny an-tanany. Tsy avy amin’ny herin’ny tenany manokana izany. fa noho ny Fanahin’Andriamanitra izay tao anatiny. Tsy midika akory izany fa ny nanomezan’ Andriamanitra antsika ny Fanahy Masina dia ny hahatonga antsika hatanjaka ara-batana sy mahery miady; fa ny tena zava-dehibe dia ny hanomezana hery antsika hahajoro amin’ny asa fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hanoherana ny fanahy ratsy, dia ny devoly izay mierona tahaka ny liona ka mitady izay harapany.
Fanontaniana:
Mety ve ny hanambadiana olona tsy mino? Nahoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe