Mampahery anao ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Aogositra 2025
VOLANA AOGOSITRA 2025 MIFAMPAHERY NY MΡΙΝΟ
Deoteronomia 31,1 - 8
1 [Anatra farany nataon'i Mosesy tamin'ny Isiraely sy Josoa, ary ny fanaperany ny lalàna] Ary Mosesy nandeha, dia nilaza izao teny izao tamin'ny Isiraely rehetra 2 ka nanao taminy hoe: Efa roa-polo amby zato taona androany aho ka tsy afa-mivoaka sy miditra intsony, ary Jehovah efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita io Jordana io ianao. 3 Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny ianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain'i Jehovah. 4 Ary Jehovah hanao amin'ireo tahaka ny nataony tamin'i Sihona sy Oga, mpanjakan'ny Amorita, izay naringany, sy tahaka ny nataony tamin'ny taniny. 5 Dia hatolotr'i Jehovah eo anoloanareo ireo hanaovanareo azy araka ny lalàna rehetra izay nandidiako anareo. 6 Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy. 7 Ary Mosesy niantso an'i Josoa ka niteny taminy teo imason'ny Isiraely rehetra hoe: Mahereza sy matanjaha; fa ianao sy ity firenena ity dia hiara-miditra ao amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'ny razany homena azy; ary ianao no hampandova azy izany. 8 Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.Mampahery anao ny Tompo
1- Mitari-dalana anao
« Jehovah Andriamanitra no hita eo alohanao » (and3). Efa nampanantena Izy fa « raha mita ny rano ianao dia homba anao Aho, ary raha mita ny ony ianao dia tsy hanafotra anao izy » (Isa 43,2). Nisedra onja ihany koa Jesoa raha niaraka tamin’ny mpianatra, fa manan-kery amin’ny voahary rehetra ny Tompo. Tsarovy fa aorian’i Jordana dia miandry anao Kanana. Mitarika anao handroso amin’ny lalana marina ny Tompo.
2- Mampandresy anao
Nampanantena ny Tompo fa « handringana » ireo fahavalo sady « hanome ny tanin’izy ireo amin’ny mpanompony » (and3). Na teo aza ny tsy fahafahan’i Mosesy hiditra ny tany Kanana, dia nanomana an’i Josoa hitarika ny vahoaka ny Tompo. Tsy mitsahatra ny fiheveran’ny Tompo ny vahoakany. Manomana fandresena Izy. Mampiomana antsika Jesoa fa hiatrika zava-tsarotra samihafa isika, nefa manome toky antsika Izy fa efa nisantatra fandresena ho antsika; ary manomana fandresena ho antsika hatrany.
3- Tsy mandao na mahafoy anao
« Tsy handao na hahafoy anao Izy » (and 6, 8). Mitondra fanahiana sy tebiteby hoan’ny vahoakan’Andriamanitra ny fiovan’ny mpitarika izay efa nahazatra azy ireo. Eo koa ny ady sarotra izay tsy maintsy hatrehana. Manome toky anefa ny Tompo fa eo hatrany Izy. Momba antsika mandrakariva ny Tompo manoloana ny sarotra atrehantsika (Mat 28, 20).
Fanontaniana :
Inona avy ireo toky omen’ny Tompo ny mpanompony?
Sampana Sekoly Alahady Foibe