Mampahatsiahy ny tantaran’ny faharian’ Andriamanitra tamin’ny andro fahadimy sy fahaenina

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Jona 2025

(Sal 8 / Hira 167. 1,3 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 537.1.4)

Salamo 104, 24-32,
24 Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao* ny tany. [Na: ny harenao] 25 Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe. 26 Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any*.[Na: holaolaovinao] 27 Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany. 28 Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy; 29 Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy, 30 Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao. 31 Ho mandrakizay anie ny voninahitr'i Jehovah; Aoka Jehovah hifaly amin'ny asany. 32 Jereny ny tany, dia mihorohoro; Tendren'ny tànany ny tendrombohitra, dia midonaka.

Izao mofonaina izao dia mampahatsiahy ny tantaran’ny faharian’ Andriamanitra tamin’ny andro fahadimy sy fahaenina Ny fahefany feno fahendrena no nentiny nanao izany asa izany. ary resy lahatra amin’izany ny mpanao Salamo. Ny fahefany:

Voalaza eto fa tena maro ireo asan’Andriamanitra ary manerana ny tany izany. Tsy nijanona tamin’ny fahariana fotsiny Andriamanitra fa mikarakaraka sy mamelona ireo nohariany (And.27-28). Ny tanan’Andriamanitra mihitsy no misokatra ka manome izay rehetra mahasoa ny zava-boahary. Fanomezana avy Aminy no miantoka ny fahavelomana fa tsy ny ezaka ataon’ny zava-mananaina. Andriamanitra no Tompon’ny fahefana, koa izay mino sy matoky Azy dia hahatsiaro fa miaina eo ambany fahasoavany ka tsy hanana ahiahy. << Fa ny fahasovan Andriamanitra no nahatoy izao ahy » (1 Kor 15,10).

Ambaran’izao Soratra Masina izao fa tena manana fahefana feno amin’izay nohariany Andriamanitra (and.29,30,32). Ny fahitana ireo fanehoana hery sy fahefana ireo dia tokony hiteraka tahotra an’Andriamanitra, Ilay Mpahary. Tsy tahotra hanalavirana Azy anefa, fa tahotra ho amin’ny fanajana sy fanomezam-boninahitra Hoy ny mpanoratra «Ho mandrakizay anie ny voninahitri Jehovah » (and.31a). Ny zavatra rehetra asehon’Andriamanitra eo amin’ny flainana, na izay heverina ho tsara no ho ratsy, dia tokony hampitombo ny fahatahorana an’ Andriamanitra.

Tsapanao ve fikarakaran Andriamanitra anao, ary miteraka inona eo amin’ny fifandraisanao Aminy izany?