Mahita ny olona Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 28 Janoary 2021
SALAMO 18.20-27
SALAMO 18.20-27
20 Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy. 21 Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro; 22 Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko; 23 Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako; 24 Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo imasony. 25 Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina; 26 Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina*. [Heb: miolakolaka] 27 Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.Mahita ny olona Andriamanitra
ka mamaly soa izay matahotra Azy (and 20)
« nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah , araka ny fahadiovan’ny tànako no namaliany ahy » . Manomboka eto no asehon’i Davida fa hitan’ Andriamanitra avokoa ny fiainany rehetra. Tsy misy miafina Aminy ny ataony rehetra . Raha mitanisa i Davida eto ny amin’izay nataony dia tsy tsy fanamarinantena akory fa entina maneho kosa fa nandeha araka ny sitrapon’ Andriamanitra izy . Tsy misy azo afenina amin’Andriamanitra rahateo ny zavatra rehetra , na ny hita maso na ny any ami’ny takona araka ny ilazan’i Jesoa azy hoe : « ...fa tsy misy miafina izay tsy ho hita na takona izay tsy haseho » (Lio 8.7) . Ianao koa mandehana araka ny sitrapon’ Andriamanitra fa mahita anao Izy , ary Izy no hamaly anao.
Mampietry ny mpiavonavona (and 27)
« Fa ianao mamonjy ny olona ory ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao » . Ny hevitry ny teny hoe : « miandranandrana » eto dia hoe: mieboebo manambony teny sy miavonavona , izany hoe : ireo izay tsy mahatsiaro fa malemy , mila mpamonjy fa mihevitra ho mahavonjy tena noho ny heriny na ny tanjany . Ambaran’i Davida eto fa aetrin’ Andriamanitra ny mpiavonavona , fa izay manetry tena kosa ka no misitraka ny famonjeny , ary hamafisin’i Jesoa izany rehefa mampianatra Izy hoe: « Fa izay manandra-tena no haetry , ary izay manetry tena no hasandratra » (Matio 23.12) . Tandremo àry ny avovanona sy ny fanandratantena.
Fanontaniana :
Mahita anao izao Andiamanitra , inona re no lazainy sy hataony momba anao ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM