Mahita ny ataon’ny olony ny Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 10 Novambra 2025

Sal 104, 31-34 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 506:1,2

Apokalypsy 2,1 - 7
1 [Ny Epistily ho an'ny fiangonana fito tany Asia] [Efesosy] Soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Efesosy. Izao no lazain'ilay miharona ny kintana fito eny an-tĂ nany ankavanana sady mandeha eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito: [* Gr. eklesia] 2 Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary ianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy; 3 ary manana faharetana ianao ka niaritra noho ny anarako sady tsy reraka. 4 Kanefa manan-teny aminao Aho, satria efa niala tamin'ny fitiavanao voalohany ianao. 5 Koa tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin'ny fitoerany, raha tsy mibebaka ianao. 6 Kanefa izao no toetranao:* halanao ny asan'ny Nikolaita, izay halako koa. [* Gr. anananao] 7 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin'ny hazon'aina, izay eo amin'ny Paradisan'Andriamanitra. [* Gr. eklesia]

Sal 104, 31-34 / Hira 8 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 506:1,2

Izao Soratra Masina izao dia hafatra ho an’ny Fiangonana tany Efesosy ho fampaherezana, ho fampiomanana, ary fampitandremana ihany koa amin’izay izay mety ho fiviliana noho ny fiheverana fa miorina. Mahita ny ataon’ny olony ny Tompo:

Hita ho nahajoro ary tsapa hó nitoetra ary nahasedra ireo fampianarana hafahafa ny Fiangonana tany Efesohsy. Tsy zavatra kisendrasendra anefa izany fa noho ny fahatokian’ny olona an’i Jesoa ka nanaovany ho laharam-pahamehana ny fanompoana sy ny fankatoavana ireo fampianarana nomena ny Fiangonana. Ary mbola takiana ho an’ny ankehitrinin’ny Fiangonana izany. Ilaina fatratra ny fijoroana amin’ny fampianarana efa niainana ka mifanaraka tsara amin’izay nampianarin’i Jesoa. Tena mijery antsika amin’izany ny Tompo. Indraindray dia tsy vitan’ny olona ny maharitra amin’izany, vokatry ny zavatra maro mety manery amin’ny fiainana. Koa mahareta ry mpihazakazaka!

Mety manaraka ny fampianaram-pinoana tokoa ny Fiangonana, mety manaraka ireo fandaminana samihafa ary tena ilaina izany. Kanefa raha tsy co ny fitiavana, izay mahafehy ny zavatra rehetra dia zava-poana ihany izany. Tsapan’ny Tompo ny mety ho fihenan’ny fitiavan’ny olona, ka zary adidy ny fanompoana fa tsy fanehoam-pitiavana Ilay niantso. Raha nilaozan’ny mpino ny fitiavana dia mila mibebaka mafy amin’izany izy satria tena fototra iorenan’ny Fiangonana ny fitiavana, ary tsy nisy famonjena raha tsy nisy fitiavana. Mampiorina ny olona mino ny fahatsapany fa mahita azy ny Tompo. Ary tena mampahery ny Fiangonana koa izany ka hananany fanantenana ny amin’ny farany.

Zava-dehibe aminao ve ny fahitan’ny Tompo ny momba anao?