Mahita fiadanana ny firenena raha manana mpitondra
Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Oktobra 2022
2 Tantara 15.8-19
2 Tantara 15.8-19
8 Ary raha ren'i Asa izany teny izany sy ny faminanian'i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin'ny tanin'ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin'ny tanàna izay azony tany amin'ny tany havoan'i Efraima, sady nanavao ny alitaran'i Jehovah izay teo anoloan'ny lavarangana fidirana amin'ny tranon'i Jehovah. 9 Ary novoriny ny Joda sy ny Benjamina rehetra sy ny vahiny teo aminy izay avy tany amin'ny Efraima sy ny Manase ary ny Simeona; fa betsaka no nanatona azy avy tamin'ny Isiraely, raha hitany fa Jehovah Andriamaniny no teo aminy. 10 Ary nivory tany Jerosalema ireo tamin'ny volana fahatelo tamin'ny taona fahadimy ambin'ny folo nanjakan'i Asa. 11 Ary androtrizay no nanaterany fanatitra ho an'i Jehovah tamin'ny babo izay nentiny, dia omby fitonjato sy ondry aman'osy fito arivo. 12 Ary nanao fanekena hitady an'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, tamin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra izy, 13 ka na iza na iza tsy mety mitady an'i Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, dia hatao maty, na kely na lehibe, na lahy na vavy. 14 Ary nianiana ho an'i Jehovah tamin'ny feo mahery sy ny fihobiana ary tamin'ny trompetra sy ny anjomara izy. 15 Ary ny Joda rehetra nifaly noho ny fianianana, fa efa nianiana tamin'ny fony rehetra izy sady nazoto nitady an'i Jehovah indrindra, ka dia nahita Azy; ary Jehovah dia nanome azy fiadanana tamin'ny manodidina fahizay. 16 Ary na dia Imaka, renin'i Asa mpanjaka, aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an'ny Aseraha izy; ary Asa nikapa ny sampiny, dia nanorotoro ka nandoro azy tao amin'ny lohasahan-driaka Kidrona. 17 Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin'ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon'i Asa tamin'ny androny rehetra. 18 Ary nampidiriny ho ao an-tranon'i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin'izay nohamasinin'ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka. 19 Ary tsy nisy ady intsony hatramin'ny taona fahadimy amby telo-polo nanjakan'i Asa.Mahita fiadanana ny firenena raha manana mpitondra
Hoy ny voasoratra eto hoe :”Ary rehefa ren’i Asa izany teny izany …” Midika izany fa tsy nataon’ny mpanjaka ho zava-maivana na nataony ho tsinotsinona ny hafatry ny mpaminany (izay olona irahin’Andriamanitra hampita ny Teniny) . Izany fihainoana ny mpaminany izany dia fihainoana an’Andriamanitra. Ny fiangonana no mpaminany ankehitriny .Raha mihaino ny fiangonana ny mpitondra dia tsy ho diso làlana izy! Ary aoka koa ny Fiangonana tsy hangina fa hampita hatrany ny Tenin’Andriamanitra!
2-Mivavaka marina (and 8b)
Voalaza eto koa hoe: “…dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ny tanin’ny joda rehetra…” izany hoe tsy “mody mihaino” akory I Asa mpanjaka eto fa “tena nihaino” marina tokoa ka mandray andraikitra avy hatrany manao ny sitrapon’Andriamanitra, ary manomboka amin’izy tenany izany ka tsy mankasitraka izay rehetra endrika fanompoan-tsampy (and 16) izy. Maneho izany fa vonona hivavaka marina izy. Andraikitry ny mpitondra fanjakana ny mamerina ny firenena amin’Andriamanitra !
3-Mitaona ny vahoaka hivavaka (and 8d)
“…sady nanavao ny alitaran’I Jehovah izay teo anoloan’ny lavarangana fidirana amin’ny tranon’I Jehovah” ihany koa izy. Fanomezana lanja ny Fiangonana izany ary fitaomana ny vahoaka hivavaka. Tsy firenena laika izany rahateo I Madagasikara fa firenena Kristiana ka na ny hiram-pireneny aza dia tonom-bavaka .Koa izay mihira izany dia mivavaka amin’I Kristy .Aoka ho kristiana ny mpitondra ary kristiana marina dia ho tanteraka ny hoe “hiadana sy ho finaritra, he sambatra tokoa izahay” araka ny hiram-pirenena!
Fanontaniana:
Mpitondra manao ahoana no tokony hofidiana araka izany?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM