Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Alahady, faha 22 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
2 Mpanjaka 4.32-37
32 Ary rehefa tonga tao an-trano Elisa, indro, maty ny zazalahy sady nampandrina teo am-pandriany. 33 Ary niditra izy, ka nirindrim-baravarana tao izy roa lahy, ary Elisa nivavaka tamin'i Jehovah. 34 Ary niakatra izy ka nandry niampatra tambonin'ny zazalahy, ka ny vavany nataony tamin'ny vavany, ary ny masony tamin'ny masony, ary ny tànany tamin'ny tànany, ka dia nafana ny tenan'ny zazalahy. 35 Dia niasa-dia tao an-trano izy ary niverina niampatra taminy indray; dia nievina impito ny zazalahy, ary nihiratra ny masony. 36 Ary Elisa niantso an'i Gehazy ka nanao hoe: Antsoy ilay Sonemita. Dia nantsoiny izy. Ary rehefa tafiditra tao aminy izy, dia hoy Elisa: Raiso ny zanakao. 37 Dia niditra ravehivavy ka niantoraka tamin'ny tongony sady niankohoka tamin'ny tany, dia nandray ny zanany izy ka lasa nivoaka.Mahery vavaka ny vavolombelona marina
2 Mpanjaka 4.32-37
Vavaka , mamelona ny maty
1-Mamelona ny vavaka
Zanakalahy tokan’ilay mpivady efa antitra nampiantrano an’i Elisa mpaminany ity mpaminany ity ary fanomezana avy amin’ Andriamanitra (and17) . Dingana roa ny famelomana ny zazalahy : fametrahana ny ehin’ny mpaminany nentin’ny mpanompony , fa tsy nahomby (and31). Mino ilay reny mahantra fa ilay lehilahin’ Andriamanitra no hitondra fahavelomana ho an’ny zanany satria avy amin’ny teny nataony nbo nananany anaka . Miandry ny vavaka ataon’ny fiangonana mpaminany izao tontolo izao tsy manana fanantenana . Tian’ny Tompo isika hamantatra ny mahasoa ny zanak’olombelona sy hitondra vaha-olana hahaveloman’ny olona sy ny firenena .
2-Velomy ny fiainam-bavaka
Mivavaha ao amin’ny mangingina « mirindrim-baravarana » (and4,33) . Ny vavaka atao amin’ny mangingina dia làlana itondran’ny Tompo vaha-olana eo amin’ny fiainan’ny mpino sy ny fiangonana (Jereo Mat 6.18;20.17; 2 Mp 19.14) . Mahita ao amin’ny miafina sy ny fitoniana ny Tompo . Asa mangina ny vavaka fa tsy fideraderana na itsofana trompetra mba ho hitan’ny olona . Ny finoana ny Tompo ho mijery sy mihaino ao amin’ny fahanginana ary afaka mamelona izay efa maty sy efa ho faty dia mahery. Arindrao eo anatrehan’ny Tompo isanandro amin’ny vavaka mitokana ny fiainanao sy ny ankohonanao ary ny firenentsika .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM