Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Asan'ny Apostoly 4.23-31
23 Ary rehefa nalefa izy roa lahy, dia tonga teo amin'ny namany ka nanambara izay rehetra nolazain'ny lohan'ny mpisorona sy ny loholona taminy. 24 Fa rehefa nandre izany izy ireo, dia niara-nanandratra ny feony ho amin'Andriamanitra ka nanao hoe: Tompo ô, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany ary ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, 25 ary ny Fanahy Masina no nampitenenanao an'i Davida razanay sady mpanomponao hoe: Nahoana no mitabataba ny jentilisa, Ary misaina anoano foana ny firenena? 26 Ireo mpanjakan'ny tany nitsangana, Ary ny mpanapaka niangona Hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany (Sal. 2. 1, 2). 27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao] 28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, 30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao] 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Asan’ny Apostoly 4.23-31
Mampandresy ny mpitory Filazantsara i Jesoa
1-Miaraha manandratra vavaka amin’i Jesoa
Tsarovy ny Tenin’ Andriamanitra rehefa mivavaka . Miorina amin’ny finoana ao amin’ny Tenin’ Andriamanitra sy ny tantaran’ny famonjena ny herin’ny vavaka . Tehirizo amin’ny finoana sy ao am-po ny Tenin’ Andriamanitra hahazoantsika mandresy ny olona sy ny ady atrehantsika .Mampitovy fijery ny vavaka noho ny fampaherezan’ny Fanahy Masina .Mampiteny ny mpino ny Fanahy masina hatramin’ny taloha sy ankehitriny ary ny ho avy (and25-28). mandresy ny fandrahonana ataon’ny fahavalo ny fiombonana amin’ny vavaka atao,’ny mpino . Mampahomby ny vavaka ataontsika ny fiombonana amin’ny anton’ny vavaka sy ny zava-kendrena .
2-Miaraha miasa amim-bavaka amin’i Jesoa
Manana tanjona kendrena iray ny Apostoly dia ny handraisan’ny olona ny Filazantsara . Mangataka fahasahiana sy fanomezam-pahasoavana avy amin’ny Tompo izy ireo mba hahatanteraka ny asa ho an’ny famonjena ny Jiosy sy ny Jentilisa . Fanomezam-pahasoavana telo no angatahina eto : famantarana sy fahagagana , fametrahan-tànana hahasitrana amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy . Feno ny Fanahy masina