Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Lioka 11.5-13
5 Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho; 6 fa ny sakaizako nandeha tamin'ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy; 7 ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho? 8 Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra* ka hanome azy izay ilainy.[*Gr.tsi-fitandroany henatra] 9 Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. 10 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 11 Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon'ny hazandrano? 12 ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka? 13 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Lioka 11.5-13
Ny Ray izay any an-danitra no hanome anareo ny Fanahy masina ho an’izay mangataka aminy?
1- Ny Ray manome ny Fanahy masina
Fanomezan’ Andriamanitra ho an’ny mpianatr’i Jesoa ny Fanahy masina . Mihoatra lavitra amin’ny fanomezan’ny olona ny fanomezan’ Andriamanitra . Miezaka ny olona hanome izay heveriny ho tsara ho an’ny zanany na ny namany , fa efa nanome antsika ny tsara indrindra ny Tompo, dia ny Fanahy masina . Ny vavaka izany dia fangatahana ataon’ny olona amin’ny Tompo ary fanomezana ataon’ny Tompo ho an’ny olona . Ny vavaka no mampifamatotra ny mino an’ Andriamanitra ary Andriamanitra amin’ny mino .
2-Ny zanaka mangataka amin’ny Ray
Mampianatra vavaka i Jesoa eto amin’ity Lioka 11 ity . Ampianarin’i Jesoa isika hivavaka amin’ny Ray . Ny vavaka atao dia mitaky finoana fa Andriamanitra dia manome mihoatra sy tsara lavitra noho izay angatahantsika (and 11-13, Efe 3.20) . Andriamanitra dia manambara fa izay tafiditra ho mpianatr’i Jesoa Kristy dia afaka managataka Aminy ary Izy manokatra ny tànany sy manome ho azy . Tafiditra ao amin’ny fanjakany isika , ary miditra sy mahita an’ Andriamanitra any an-danitra (and9). Mahereza àry mivavaka ka mangataka izay ilaintsika , araka ny sitrapony , mba hahazoantsika mahatanteraka ny sitrapony amin’izao ankehintriny izao .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM