Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Oktobra 2017
Lioka 3.21-22
21 Ary rehefa natao batisa ny vahoaka rehetra, ary Jesosy koa efa natao batisa sy nivavaka, dia nisokatra ny lanitra; 22 ary ny Fanahy Masina nidina teo amboniny, ka ny endriny dia tahaka ny voromailala; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako; Hianao no sitrako.
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Lioka 3.21-22
Ny fiainam-bavaka nananan’i Jesoa no tian’ny Filazantsara hasongadina noho ny fisian’ny fahitana miaraka aminy tahaka izay hita eto. I Jesoa Kristy na dia Zanak’ Andriamanitra aza dia tena nivavaka sady mampianatra antsika hivavaka (Lio 11). Raisintsika amin’izany ny fiainam-bavaka mitohy .
1-Ho fanombohana ny asa hatao
Tsy natao batisan’ny fibebahana velively akory i Jesoa eto fa batisa fandraisana asa fanompoana izay nialohavan’i Jaona mpanao Batisa Azy izao . Tsy mba teraka tamin’ny ota Izy sady tsy nanota akory . Izany no hevitry ny lanitra nisokatra taminy eto , ary nohamarinin’ny feo hoe:« Hianao no Zanako malalako , hianao no sitrako« . Ho fanombohany ny asa izay nanirahan’ny Ray Azy no nisehoan’izany eto . Ny vavaka hatao ho fanombohana ny asa dia hanehoan’ny Tompo fankasitrahana , ho fampaherezana ny iraka rehetra . Fanoloran-tànana hotantanan’ny Tompo ny mivavaka mialoha ny asa .
2-Ho fijoroana vavolombelon’ny Tompo
Tanteraka ny famonjena izao tontolo izao tamin’ny nahafatesan’i Jesoa teo amin’ny hazo fijaliana. Nitsangana tamin’ny maty Izy , ho vavolombelona fa Andriamanitra velona Izy no tonga olona teto an-tany , mba hanafaka ny olona amin’ny fahotany . Mitaona antsika hibebaka Izy mba hamelany ny helotsika . Ny fiainam-bavaka no tànana handraisantsika ny tànan’ny Tompo hamonjy antsika amin’izao fiainana ratsy izao . Isanandro dia taominy hijoro ho vavolombelona amin’izany isika , fa hoy Izy : « Fa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery «
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM