Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Alahady, faha 29 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
2 Tantara 7.11-18
11 [Ny valin'ny vavaka nataon'i Solomona] Toy izany no nahavitan'i Solomona ny tranon'i Jehovah sy ny lapan'andriana, ary samy nataon'i Solomona lavorary avokoa zay rehetra efa voaheviny hatao tao an-tranon'i Jehovah sy tao an-dapany. 12 Ary Jehovah niseho tamin'i Solomona nony alina ka nanao taminy hoe: Efa reko ny vavakao, ary efa nofidiko ho Ahy ity fitoerana ity ho trano fanateram-panatitra. 13 Koa, indro, raha mampihantona ny andro Aho, ka tsy misy ranonorana latsaka, na asaiko mandany ny tany ny valala, na anaterako areti-mandringana ny oloko, 14 raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny. 15 Ary izao dia hihiratra ny masoko, ary ny sofiko hihaino ny vavaka Izay atao amin'ity fitoerana ity; 16 fa efa nofidiko sy nohamasiniko ity trano ity mba hitoeran'ny anarako mandrakizay, ary ny masoko sy ny foko ho ao mandrakariva. 17 Ary ny aminao, raha handeha eo anatrehako tahaka ny nandehanan'i Davida rainao ianao ka hanao araka izay andidiako anao sy hitandrina ny didiko sy ny fitsipiko, 18 dia hampitoeriko ny seza fiandrianan'ny fanjakanao, araka ny fanekeko tamin'i Davida rainao hoe: Tsy ho diso zanakalahy ho mpanapaka amin'ny Isiraely ianao.Mahery vavaka ny vavolombelona marina
2 Tantara 7.11-18
Andriamanitra mamaly vavaka
1-Andriamanitra mifidy ny fitoerana masina
Mifidy toerana fivavahana ho an’ny fireneny sy ny vahoakany Andriamanitra . Natao ho trano fanateram-panatitra ny trano namboarin’i Solomona sy ny vahoaka manamboatra fa Izy Andriamanitra no mitokana sy manamasina ary mametraka ny antom-pisian’ny Tempoly . Toerana fivavahana sy fihaonana amin’ Andriamanitra , Ilay tsy hita maso . Ao no hanehoana ny fanetrentena sy fibebahana sy fangatahana famelan-keloka ary fanasitranana ho an’ny olona sy ny firenena (and14).
2-Andriamanitra mihaino sy mijery ny mpivavaka
Mijery sy mihaino izay atao rehetra ao amin’ny Tempoly ny Tompo . An’ Andriamanitra ny Tempoly , fanehoany ny fisiany sy ny fahamasinana ary ny fanatrehany ny vahoakany . Andriamanitra iray ao amin’ny Tempoly tokana ho an’ny firenena iray . Manaiky ho eo amin’Israely amin’ny alalan’ny Tempoly Andriamanitra (and16) mba ho fitahiana ho an’Israely izay nofidiny .
3-Andriamanitra manao fanekena amin’Israely
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM