Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Alahady, faha 01 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
1 Samoela 1.19-28
19 Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan'i Jehovah, dia lasa nody ka tonga tao an-tranony tany Rama; ary Elkana nahalala an'i Hana vadiny, ary Jehovah nahatsiaro azy. 20 Ary tamin'ny fahatanterahan'ny andro dia nanan'anaka Hana ka nitera-dahy, ary ny anarany nataony hoe Samoela*, fa hoy izy: Tamin'i Jehovah no nangatahako azy.[Samoela = Nohenoin'Andriamanitra (?)] 21 Ary ralehilahy Elkana sy ny ankohonany rehetra niakatra hamono zavatra mba hanaterany ny fanatitra fanao isan-taona ho an'i Jehovah sy ny fanalam-boadiny. 22 Fa Hana kosa tsy mba niakatra; fa hoy izy tamin'ny vadiny: Aoka aloha mandra-panoty ny zaza, fa amin'izay aho vao hitondra azy hiseho eo anatrehan'i Jehovah, ka hitoetra ao mandrakizay izy. 23 Ary hoy Elkana vadiny taminy: Ataovy ary izay tianao; mitoera ihany mandra-panotinao azy; ary hefain'i Jehovah anie ny teniny. Dia nitoetra ravehivavy ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy. 24 Ary nony efa maoty ny zaza, vao nentiny niakatra niaraka taminy izy mbamin'ny vantotr'ombilahy telo* sy koba iray efaha ary divay iray tavoara**, ka nentiny ho ao an-tranon'i Jehovah tao Silo izy; ary mbola kely ny zaza.[*Na: (izay efa telo taona)][**Na: siny hoditra] 25 Dia novonoiny ny vantotr'ombilahy iray, ary nentiny ho ao amin'i Ely ny zaza. 26 Ary hoy Hana: Tompoko ô, raha velona koa ny ainao, tompoko, izaho ilay vehivavy nitsangana teto anilanao ka nivavaka tamin'i Jehovah. 27 Ny hahazoako ity zazalahy ity no nivavahako; dia nomen'i Jehovah ahy izay nangatahiko taminy. 28 Koa atolotro ho an'i Jehovah kosa izy: eny, amin'ny andro rehetra hiainany dia voatolotra ho an'i Jehovah izy. Dia nivavaka tamin'i Jehovah izy.Mahery vavaka ny vavolombelona marina
1 Samoela 1.19-28
1-Mihevitra fanomezana ho an’ny Tompo
« Ary nifoha maraina koa izy ireo ka nivavaka teo anatrehan’i Jehovah » (and19). Hana dia vehivavy naharitra nitondra ny alahelony teo anatrehan’ Andriamanitra noho izy tsy niteraka sady nenjehin’ny rafivaviny (and6). Nivavaka tamin’ny fo madio izy ary tsy mba zanaka ho mpandova no notadiaviny fa zanaka hatolotra ho an’ny Tompo . Mpivady miara-mivavaka maraina no mendrika tahafintsika eto . Aoka hanome ny zanantsika ho an’ny Tompo isika fa tsy ho nanao fanekena foana tamin’ny nanaovam-batisa azy ireny . Mazava fa manome zanaka na dia ho an’ny momba aza Andriamanitra .
2-Manefa ny voadiny amin’ny Tompo
« Koa atolotro ho an’i Jehovah kosa izy » (and28). Miharihary ny herin’ny vavaka nataon’izy mivady . Mifampidinika izy amin’ny fanefana ny voady natao ka hita soritra eto ny fifanarahan-tsaina ao amin’izy ireo sy ny fifankatiavany . Tsy tokony hanimba velively ny fifandraisan’ny mpivady araka izany ny fahamombany . Fa vao mainka aza mafy orina tahaka izao nataon’i Elkana sy Hana izao . Isika koa , aoka hihevitra fanomezana ho an’ny Tompo dia ny fanolorantena madio ka manatanteraka izay voady natao .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM