Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Lioka 18.9-14
9 Ary Jesosy nanao ity fanoharana ity tamin'ny sasany izay natoky tena ho marina ka namingavinga ny hafa; 10 Nisy roa lahy niakatra teo an-kianjan'ny tempoly hivavaka, ny anankiray Fariseo, ary ny anankiray mpamory hetra. 11 Ilay Fariseo nitsangana ka nivavaka nitokana hoe: Andriamanitra ô, misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona sasany, izay mpanao an-keriny, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka io mpamory hetra io aza. 12 Mifady indroa isan-kerinandro aho; mandoa ny fahafolon-karena amin'izay azoko rehetra aho. 13 Fa ilay mpamory hetra kosa nijanona teny lavitra eny, sady tsy nety niandrandra ny lanitra akory, fa niteha-tratra ka nanao hoe: Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota. 14 Lazaiko aminareo: Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay rehetra manetry tena no hasandratra.Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Lioka 18.9-14
Ny fivavahana atao amim-panetretena
1-Manaiky ny maha- mpanota
« Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota » (and13). Vavaka natao ho fiaken-keloka no hijeren’i Jesoa mpamela heloka ny toe-pontsika tahaka izao.Rehefa niteny i Jesoa hoe: »tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody fa ny marary« dia mitady olona hibebaka noho ny ota natao Izy . Ity mpamory hetra voalaza eto ity dia tena vonona hivavaka amim-panetretena sady nandroso nitady ny famindrampon’ Andriamanitra tanteraka. Mifanohitra amin’izany kosa no nataon’ilay Fariseo izay zatra mitsara tena teo amin’ Andriamanitra . Tsara ny manana fanetrentena ary manatona miaiky fa ratsy sy tsy tanteraka mba hahazo fanavaozana avy amin’ny Tompo .
2-Mahazo fanamarinana
« Izany lehilahy izany nidina tany an-tranony efa nohamarinina noho ny anankiray » (and 14). mahazo valimbavaka vetivety ny mpivavaka manetry tena tahaka ilay mpamory hetra . Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany fa ny famonjena , hoy izy , dia ho anareo sy ny zanakareo na iza na iza antsoin’ny Fanahy hanatona an’ Andriamanitra . Azontsika toy izany ny fanamarinan’ Andriamanitra antsika raha miala amin’ny fanamarinan-tena isika . Mijery ny finoana ao amin’izay rehetra mivavaka Aminy ny Tompo . Isaina ho mahery vavaka ny vavolombelona marina ka miaiky ny fahotany satria nahazo fanamarinana.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM