Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 07 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Jakoba 5.13-18
13 Misy azom-pahoriana va eo aminareo? Aoka izy hivavaka. Misy faly va? Aoka izy hihira fiderana. 14 Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon*'ny fiangonana**; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; [* Gr. presbytera] [** Gr. eklesia] 15 ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony. 16 Koa mifaneke heloka ianareo, ary mifampivavaha, mba ho sitrana ianareo. Ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra. 17 Elia dia olona tahaka antsika ihany, ary izy nahery nivavaka mba tsy hilatsahan'ny ranonorana; dia tsy nilatsaka tamin'ny tany ny ranonorana telo taona sy enim-bolana. 18 Ary nivavaka indray izy, dia nandatsaka ranonorana ny lanitra, ka nahavokatra ny tany.Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Jakoba 5.13-18
Elia mpaminany no ataon’ny Apostoly Jakoba ohatra eto momba ny faherezana mivavaka . Izy dia manana fiombonam-piainana feno tamin’ny Tompo. Koa mba hanahafantsika azy dia tsara raha mihaino sy mankato ary mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika ary hanana fiombonam-piainana amin’i Jesoa Kristy rehefa mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy . Miseho eto ny herin’ny vavaky ny mno Azy .
1-Mitondra fanafahana (and13-15)
Ny vavaka atao ho an’ny mana-manjo na ny manam-pifaliana dia fiantsoana ny fanatrehan’ny Tompo azy ireo mba handray ny vavaka ao am-pony . Miasa fanafahana ho an’ny olona ny fivavaky ny finoana .Ny vavaka atao ho an’ny marary dia fangatahana ny fanasitranan’ny Tompo azy , tsy ara-batana fotsiny anefa hatramin’ny ara-panahy mihitsy no omen’ny Tompo maimaimpoana ho azy . Ny kristiana dia taomina hivavaka ho an’ny olona rehetra fa ny Tompo mandray ny vavaky ny finoana .
2-Mamitram-pihavanana (and 16-18)
Ny vavaka marina dia mitaona antsika hahay mifamela heloka ka hihavana sy hifankatia. Tsara mandrakariva ny fiainana misy fiaraha-mivavaka mialoha ny asa aman-draharaha . Lavitry ny fihatsarambelatsihy ny olona agaka mifamela heloka . Manjaka ny fifankatiavana ary miseho ho azy ny maha-mpanompon’ ny Tompo antsika . Izy no mpamela heloka antsika mba hihavanantsika Aminy . Aoka ho vita fihavanana amin’ Andriamanitra sy ny olona isika .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM