Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

Mofonaina anio: Alahady, faha 08 Oktobra 2017

Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

Marka  7.7-11
7 Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, Raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy. (Isa. 29. 13). 8 Mahafoy ny didin'Andriamanitra ianareo ka mitana ny fanaon'ny olona. 9 Ary hoy koa Izy taminy: Hay! tsara ny nahafoizanareo ny didin'Andriamanitra mba hitandremanareo ny fampianarana voatolotra anareo! 10 Fa hoy Mosesy: Manajà ny rainao sy ny reninao (Eks. 20. 12), ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy sy ny reniny dia hatao maty tokoa (Eks. 21. 17). 11 Fa hoy kosa ianareo: Raha misy olona milaza amin'ny rainy na amin'ny reniny hoe: Efa korbana (izany hoe, fanatitra ho an'Andriamanitra) izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,

Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

Marka  7.7-11

Matetika no ahitantsika ato  amin’ny Filazantsara fa tena saropiaro  amin’ireo  didin’ Andriamanitra  i Jesoa . Manitsy  indray  ny fampiharan’ireto Fariseo  ireto  izany didy  izany  Izy eto . Ny fanomezan-danja ny  fivavahana  no asehony eto  :

1-Tsy fampianaran’olona izany  

Manafoana ny  fampianaran’ny  Tompo  ny fibahan’ny fampianaran’olona . Rehefa  hiatrika fanadinana any am-pianarana  ny  mpianatra dia matetika tsy mankany am-piangonana fa revo manao famerenana any  an-tranony  . Porofo  izany  fa mora mahafoy  ny  Fampianarana Soratra masina isika . Manakalo  ny  fotoana  tokony hihainoana  ny  Tenin’ Andriamanitra amin-javatra hafa isika . Tandremo  fa tsy manome lanja  ny fivavahana  ny Tompo . « Raiso ny  Tenin’ Andriamanitra  ho sabatry ny Fanahy ».

2-Tsy  misy fihatsarambelatsihy  izany 

Mihatsaravelatsihy amin’ Andriamanitra ny olona  mahafoy  ireo didy nomeny  hotandremana  tahaka ny hoe: « Manajà  ny rainao  sy ny reninao« . Eto  dia nosoloany  fampianarana  voatolotry  ny razana  izany , hoy ny Tompo  nefa fampianarana  mifono  hafetsifetsena , toa fanamarinan-tena ihany . Aoka hianatra mitandrina  ny didin’ Andriamanitra  araka ny Soratra masina  isika fa tsy hifikitra amin’ny fampianaran’ olombelona. Ny  Soratra masina  irery ihany no tànantsika  hampanan-danja  ny fivavahantsika . Mijoroa ho vavolombelon’ny  Tompo  amin’izany .

Fanontaniana:

Vakio  Kolosiana 2.8-15 hampahery antsika

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM