Mahery vavaka  ny vavolombelona marina

Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Oktobra 2017

Mahery vavaka  ny vavolombelona marina

1 Korintiana 14.12-19
12 Ary toy izany ihany koa ianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana* no tadiavo indrindra. [* Gr. eklesia] 13 Koa aoka izay miteny amin'ny fiteny tsy fantatra hangataka mba hahay mandika teny koa. 14 Fa raha mivavaka amin'ny fiteny tsy fantatra aho, dia ny fanahiko ihany no mivavaka, fa ny saiko kosa tsy mahavanona. 15 Ahoana ary no izy? Sady hivavaka am-panahy no hivavaka an-tsaina koa aho; sady hihira am-panahy no hihira an-tsaina koa aho. 16 Fa raha misaotra am-panahy fotsiny ihany ianao, hataon'izay tsy mahay ahoana no hanao Amena, raha misaotra ianao? satria tsy mahalala izay lazainao Izy. 17 Fa ianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina. 18 Misaotra an'Andriamanitra aho fa miteny amin'ny fiteny tsy fantatra mihoatra noho ianareo rehetra aho; 19 nefa raha ao am-piangonana*, dia aleoko manao teny dimy fantatry ny saiko mba hampianarako ny sasany koa, toy izay hanao teny iray alina amin'ny fiteny tsy fantatra. [* Gr. eklesia]

Mahery vavaka  ny vavolombelona marina

1 Korintiana 14.12-19

Na dia  nomen’ Andriamanitra fanomezam-pahasoavana  samihafa  aza ny kristiana  eo  amin’ny fiangonana  dia nataony  ho iray  fanompoana , kanefa  « raha fatra-paniry ny zava-panahy  dia izay hampandroso  ny fiangonana  no tadiavo  indrindra  » (and 12). Ny fivavahana kristiana  araka izany  dia natao ho fampandrosoana .

1-Mivavaka   hiombonan’ny olona rehetra isika

Ny fivavahana  amin’ny fitenim-pirenena hafa  dia tokony  hisy mpandika teny raha  hatao ho  an’ny olona rehetra izany . Ny fifandraisantsika miorina  avy amin’ny teniny  ao anatin’ny Soratra masina . Aoka  tsy hisy teny  ivelan’ny Baiboly  hanaovana toriteny  na fampianarana  ao  am-piangonana araka izany,  satria tsy mahasoa  ny olona akory  . Paoly  Apostoly eto nanapa-kevitra fa »sady  hivavaka  am-panahy  no hivavaka  an-tsaina koa aho » (and15).

2-Mitady  ny teny   ho an’ny saina sy fanahy isika 

Ny Soratra masina  irery ihany  no misy  ny teny  ho an’ny saina  sy fanahy . Nambaran’i Paoly tamin’i Timoty  zanany  hoe :« …soratra  nomen’ny tsindrimandrin’ Andriamanitra , mahasoa …mba  ho tanteraka ny olon’ Andriamanitra , ho vonona tsara  ho amin’ny asa tsara  rehetra » (2 Tim 3.16-17). Koa  raha mivavaka  dia teny  hahazoan’ny  mihaino   manao  « Amena » , hoy izy  eto , no tadiavina . Aoka  omena fahalalana ara-tsoratra masina ny olona  tarihintsika hivavaka , mba handray  an’i  Jesoa  , teny  tonga nofo  ao am-pony . Olona resy  lahatra  ka  mandray  Azy ho Tompo  sy Mpamonjy  no  afaka  miara-mivavaka.

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM