Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Oktobra 2017

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Nehemia 1.4-11
4 Ary rehefa nandre izany teny izany aho, dia nipetraka nitomany sady niferinaina andro maro ary nifady hanina sy nivavaka teo anatrehan'Andriamanitry ny lanitra 5 ka nanao hoe: Indrisy! ry Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Andriamanitra lehibe sy mahatahotra, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, 6 aoka hihaino ny sofinao ary hihiratra ny masonao, mba hohenoinao ny vavaky ny mpanomponao, izay ataoko eto anatrehanao ankehitriny andro aman'alina ho an'ny Zanak'Isiraely mpanomponao sy izay anekeko ny fahotan'ny Zanak'Isiraely, izay efa nanotanay taminao; fa izaho sy ny mpianakavin-draiko dia samy efa nanota avokoa. 7 Efa nanao izay ratsy indrindra taminao izahay ka tsy nitandrina ny didy, na ny lalàna, na ny fitsipika, izay nandidianao an'i Mosesy mpanomponao. 8 Hotsarovanao anie ilay teny nandidianao an'i Mosesy mpanomponao hoe: Raha manao izay mahadiso ianareo, dia hampiely anareo any amin'ny firenena maro Aho; 9 nefa raha miverina amiko kosa ianareo ka mitandrina ny didiko sy mankatò azy, na dia hisy voaroaka hatrany am-paravodilanitra aza ianareo, dia avy any no hanangonako azy, ka ho entiko ho ao amin'ny fitoerana izay nofidiko hampitoerako ny anarako izy. 10 Ary ireo dia mpanomponao sy olonao, izay navotanao tamin'ny herinao lehibe sy ny tananao mahery. 11 Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin'ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason'io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Nehemia 1.4-11

Mpitondra kapoaky  ny  mpanjaka  no anjara  raharahan’i Nehemia tany am-pahababoana . Mafy  ny nanjo  azy rehefa  nandre  vaovao  momba ny Jiosy  nody tany Jerosalema izy , ka ny  hiantoraka  tamin’ Andriamanitra  no nataony : vavaka fitarainana , fiderana, fifonana ary fangatahana , famelana , fiverenana fampahatsiarovana ny heriny sy ny fahefany , faharesen-dahatra  amin’ny  famonjeny  (and5-11). Ny fivavahana mendrika  halain-tahaka izany .

1-Manana fiainam-bavaka mitohy 

Voalaza  eto  fa andro  maro  no mivavaka  sy mifady  hanina i Nehemia. Tsy niala tamin’ny anjara raharahany  velively  izy  raha nanao  izany fa tena tao  amin’ny andraikitra  notanany  izy sady nivavaka . Fangatahana mba hahazo  famindrampo  teo  imason’ny  mpanjaka Nehemia taorian’izao . Aoka  mba handoso  fitia eo anatrehan’ny  Tompo sy ny olona isika noho  ny fivavahantsika . Mety  ary tokony  hataontsika ny mivavaka tsy tapaka .

2-Mahatoky  ny Tompo tanteraka

Nehemia dia feno  fatokiana  tanteraka araka izao vavaka nataony izao . Jesoa   Tompontsika  koa nametra-pitokisana tamintsika mba hanaovantsika ny asa vavolombelona hanambara  Azy. Jereo  ny manjo  ny firenentsika ka andeha  mba hivavaka , hifona  ho an’ny Malagasy  ka hangataka  ny hanesorana azy amin’izao fahantrana lalina izao , fa Mpamonjy  ny Andriamanintsika , tsy miova Izy  ary mahita  ny fiainantsika .

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM