Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Mofonaina anio: Talata, faha 17 Oktobra 2017
Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Lioka 18 : 1-8
1 Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy, fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka,Mahery vavaka ny vavolombelona marina
Lioka 18 : 1-8
Miandany amin’ny olom-boafidiny Andriamanitra
1-Miaro ny mpino maharitra mivavaka ny Tompo
Ratsy ny fiarahamonina asehon’i Jesoa eto: misy mpitsara tsy marina sady tsy matahotra an’Andriamanitra: misy mpitondratena mahantra, izaymanana ady amin’ny mpiara-monina. Lany andro sy fotoana mivezivezy mitady ny rariny ilay mpitondratena. Miasa ao am-pon’ny ratsy fahahy ny Tompo mba hahazoan’ny marina ampahantraina ny rariny. Tompon’ny fahefana rehetra i Jesoa Kristy ka afaka manova ny ratsy fanahy ho marina, na ny tsy matahotra an’Andriamanitra ho tia ny fahamarinana. Ny fivezivezena sy ny fiharetana ary ny faharetan’ilay mpitondratena dia manambara ny vavaka ataon’ny mino.Mahareta amin’ny fivavahana.
2- Miaro ny mpino mahatoky ny Tompo
Andriamanitra manome rariny ny olom-boafidiny. Andro amana alina no iantsoana ny Tompo. Tsy mba tara amin’ny famonjena ny mpino Andriamanitra. Mahatoky sy marina Izy: mijery sy mahita ny fijalian’ny zanany ka mamonjy Azy. Mijaly sy mitaraina fatratra isika kristianaankehitriny amin’ny fanenjehana sy ny fanaratsiana mihatra amintsika. Ireny no ady tsy maintsy hatrehana. Sady anefen’ny Tompo antsika kristiana ho tsara orina amin’ny fivavahana sy ny finoana. Tohizo àry ny vavaka andro amana alina, ataovy matetika sy amin’ny finoana fa tsy mamela antsika hiady irery i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM