Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 18 Oktobra 2017

Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

2 Mpanjaka 20.1-7
1 [Ny nahararian'i Hezekia, sy ny nanaretany ary ny nampamangian'i Berodaka-baladana, mpanjakan'i Babylona, azy, sy ny nahafatesany] Ary tamin'izany andro izany dia narary saiky maty Hezekia. Ary Isaia mpaminany, zanak'i Amoza, nankao aminy ka nilaza taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hafaro ny ankohonanao, fa ho faty ianao, fa tsy ho velona. 2 Dia nitodika nankany amin'ny rindrina izy ka nivavaka tamin'i Jehovah hoe: 3 Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin'ny fahamarinana sy tamin'ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy. 4 Ary raha tsy mbola tafavoaka ny tanàna* afovoany Isaia, dia tonga taminy ny tenin'i Jehovah nanao hoe: [Na: kianja] 5 Miverena, ka lazao amin'i Hezekia, mpanapaka ny oloko, hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitr'i Davida rainao: Efa nohenoiko ny fitarainanao, ary efa hitako ny ranomasonao; indro, hahasitrana anao Aho, ka raha afaka ampitso dia hiakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ianao. 6 Ary hampiako dimy ambin'ny folo taona ny andronao; sady hamonjy anao sy ity tanàna ity amin'ny tanan'ny mpanjakan'i Asyria Aho; ary hiaro ity tanàna ity Aho noho ny amin'ny tenako sy Davida mpanompoko. 7 Ary hoy Isaia: Makà ampempan'aviavy. Ary dia nalainy ka napetany tamin'ny vay, dia sitrana izy.

Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

2 Mpanjaka 20.1-7

Manambara  ny farany Andriamanitra 

1-Manambara ny fahafatesana

Misy fiafarany  ny fiainan’ny zanak’olombelona rehetra . Tao  anatin’ny  aretina  mafy i Hezekia  no nambaran’i Isaia   mpaminany  fa « ho  faty   ianao  fa tsy  ho  velona » (and1). I Hezekia  mpanjaka  dia namongotra  ny sampy  tamin’i Joda ary  nandeha  mahitsy  tahaka an’i  Davida . Mama-piafarana amin’ny fahafatesana ny olona , na dia  ny  mpanjaka   malaza  amin’ny fanitsiam-pivavahana  teo  amin’i Joda aza (and 2,2 Mpanj 18.3-7) . Mampianatra   ny  Tompo  , fa Izy  no  tompon’ny fotoana  rehetra . Hararaoty   ny  andro azo anaovan-tsoa  (Kol 4.5) . Mihatra  amin’ny olombelona  rehetra  ny fahafatesana , eny  fa na  dia   ho an’ny   manao soa aza.

2-Manambara  ny famelomana 

Mamelona  ny efa  maty koa  anefa ny  Tompo  . Mihaino  ny fivavak’i Hezekia , izay nitahiry  ny finoany  an’i Jehovah Andriamaniny izy  . Nohenoin’ i Jehovah ny fitarainany , nojereny  ny  ranomason’ny mpanjaka (and5). Tsy  fahafatesana  izany  no anton’ny aretina  fa fanehoana  ny fahefan’ Andriamanitra sy ny famibdrampiny . Nataon’ny  Tompo hankato  azy koa ny mpaminany  ka nanaiky  ho irakiraka . Mifanaraka  amin’ny  sitrapon’ny  Tompo ny fangatahana eto : »hiaro  ity tanàna ity  Aho  noho ny amin’ny tenako  sy Davida mpanompoko   » . Katsaho  ny  sitrapon’ ny  Tompo  amin’ny vavaka  atao  , fa fanalahidin’ny valimbavaka izany .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM