Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Oktobra 2017

Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

Salamo 65.1-8
1 [Fiderana an'Andriamanitra noho ny ataony, fa indrindra noho ny anomezany ny vokatry ny tany] Ho an'ny mpiventy hira.Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fiderana*, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.[Na: Ny fiononana dia fiderana ankasitrahinao] 2 Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin'ny nofo rehetra. 3 Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay. 4 Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin'ny tempolinao. 5 Zava-mahatahotra no ataonao amin'ny fahamarinana ho valin'ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin'ny faran'ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny. 6 Mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy. 7 Mampitsahatra ny firohondrohon'ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban'ny firenena. 8 Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.

Mahery vavaka ny vavolombelona marina 

Salamo 65.1-8

Fanefana ny voady  amin’i Jehovah 

1-Manatera fisaorana  any Ziona 

Zava-mihatra  tamin’Israely  ny faharavan’ny Tempoly  sy ny fitsanganany indray. Nangina  ny fiderana  sy ny fivavahana tao. Ambara  eto kosa  fa tafaverina izany i Ziona  tanàna masina  . Isaorana  sy ankalazaina  ao Ziona ny  Tompo , izay tompon’ny lasa  sy ny ankehitriny  ary ny ho avy avy  sady manome fiononana ny Israely . Miasa Izy  ary tsy takatry  ny saina ny heviny . Anjarantsika ny misaotra  sy midera Azy, fa tsara  indrindra izany .

2-Sambatra  izay antsoin’i Jehovah  ho eo an-kianjany

Fahasambaran’ny mpino  ny fiantsoan’ Andriamanitra hanatona Azy. Tsy misy  mahay manatona  ny  Tompo  raha tsy izy no miantso , eny  fa na dia maniry  izany aza. Ao   no isehoan’ny Tompo amin’ny olony  ka hamahany  ny zava-tsoa  sy ny zava-masina azy (and4). Ao  no hamalian’Andriamanitra ny fivavaky ny  mpino  sy handrenesany  ny feony . Sambatra izay mitoetra eo akaikin’ Andriamanitra .

3-Miasa  tsy miato Andriamanitra 

Ho  valin’ny vavaka  ataon’ny Tompo dia miasa  Andriamanitra  sady  efa niasa  sy mbola hiasa mandrakizay  (and6-7). Mampangina  ny herin’ny  fahavalon’Isarely ny asany , sady maharaiki-tahotra  azy ireny  (and7-8). mamerina  ho amin’ny fahatsaran’ny  tendrombohitra sy ny fampanginana ny onjan-dranomasina  ary  ny  tabataban’ny firenena fahavalon’Israely ny  Tompo  . Izany  dia asan’ilay Mpahary  izao tontolo izao .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM