Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Oktobra 2017

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Matio 26.40-46
40 Ary nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nahita azy matory, dia hoy Izy tamin'i Petera: Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza ianareo! 41 Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery. 42 Dia nandeha fanindroany Izy ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao. 43 Ary nony tonga Izy, dia nahita azy matory indray; fa efa nilondolondo ny masony. 44 Ary rehefa nandao azy Izy ka lasa indray, dia nivavaka fanintelony ka nanao izany teny izany ihany. 45 Dia nankeo amin'ny mpianatra Izy ka nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo*; indro, efa akaiky ny ora, ary ny Zanak'olona hatolotra eo an-tànan'ny mpanota.[*Na: Mbola matory ihany va ianareo ka miala sasatra?] 46 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.

Mahery vavaka ny vavolombelona marina

Matio 26.40-46

Miary  tory sy  mivavaka 

1-Miareta  tory  miaraka  amin’i  Jesoa Kristy 

Maizina  sy alin-kitroka  ny tontolo  misy an’i  Jesoa  Kristy   sy ny mpianatra  eto  . Enjehina  i Jesoa sy  ireo  mivavaka  aminy . Kendrena  hosamborina  sy hovonoina  ny Zanak’ Andriamanitra . Ao   amin’izany tontolo  izany i Jesoa Kristy  no miteny  : »miareta tory  sy mivavaha  » . Miareta  tory  mba hahafahana miatrika  sy manohitra  ny fahavalo amin’ny fivavahana  fa tsy  fahatairana.Miambena  ihany  koa  mba  tsy  hitsangana  ho  mpiaro  ny Tompo  fa mba  hanaiky  harovan’ny  Tompo manoloana ny fahavalo  (Jao 18.10).

2-Mivavaha  miaraka  amin’i Jesoa 

Mampianatra  ny  mpianany hiaina  amin’ny tena vavaka  i Jesoa Kristy  . Maha-izy  azy  ny vavaka  dia ny fanekena  ny  Tenin’i  jesoa  sy  ny fiombonana Aminy , ny fanakatoavana  ny sitrapon’ny Ray  ary ny faharetana . Ady  araka ny fanahy   ny vavaka   ary  misy fe-potoana  tratrarina  ka atao  mialohan’ny  fahatongavan’ny fahavalo . Fiadiana iankinana  amin’i  Jesoa  sy   hiatrehana ny fahavalo  ny vavaka (Efe6.18. Fiadiana  ho  fiarovana  handresena  ny fakampanahy   ihany  koa.  Omen’i  jesoa   antsika   ny vavaka mba handresena  ny  devoly sy ny miaramilany  . Ho resy  ny tahotra  sy ny  sitrapon’ny  tena  ary  ny  fitambesaran’ny  nofo  aminn’y alalan’ny vavaka . Mivavaha  mandrakariva mba handositra  antsika  amin’ny fakampanahy .

Fanontaniana:

Birao Sekoly  Alahady  FOIBE FJKM