Mahery ny tàna-maherin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 08 Janoary 2020
Mahery ny tàna-maherin'ny Tompo
JAONA 10.24-30
24 Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay. 25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy. 26 Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko. 27 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, 28 ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. 29 Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray. 30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany.Mahery ny tàna-maherin’ny Tompo
JAONA 10.24-30
Maneho ny maha-Mesia Azy Jesoa.
1-Na dia misy aza tsy manaiky azy
Nitady izay fomba rehetra hiampangana an’ i Jesoa ireo Jiosy sy iza rehetra tsy nanaiky Azy. Nitangorona ireo ka nanontany an’i Jesoa indray, raha Izy tokoa no Kristy. Ny hoe:Kristy dia avy amin’ny teny Grika anankiray izay dikan’ny teny Hebreo hoe: Mesia na voahosotra. Tsy noho ny fitiavana hahalala ny marina momba an’ Andriamanitra no antony nanontanian’ireo Azy fa mba hahafahana mitora-bato Azy. Ny nantenain’ny Jiosy mantsy dia ny Mesia hanafaka azy amin’ny lafiny politika fotsiny . Toa mifanohitra amin’izany anefa no hitany , satria i Jesoa dia tonga tamin’ny fanetrentena rehetra. Ary izany no mampisalasala azy ireo . Ny tsy finoana no mahatonga ny olona tsy hanaiky Azy ho Tompo.Tsy mahafoana ny maha-Mesia an’i Jesoa akory ny fisian’ny olona tsy mino Azy.
2-Amin’ny alalan’ny asa sy ny fampianarana
Ampy hanambara ny maha-Mesia an’i Jesoa ny asa notanterahiny . « Ny asa izay ataoko amin’ny Anaran’ny Raiko no manambara Ahy« (and25). Nolazain’i Jesoa fa efa matetika Izy no nanambara ny maha-Mesia Azy, manaiky Azy rahateo .Ireny dia lazainy fa tsy mba isan’ny ondriny , satria tsy mihaino ny feony . Ny hoe: »mihaino« dia midika hoe:mihaino ny sofina , sady mandray am-po ,izany hoe: mino Azy . Izay manaiky Azy sy mandray ny fampianarany no antsoiny hoe:ondriny . Arovany nyondriny ka tsy misy maharombaka zy eo an-tànany .Raha tena Azy tokoa isika dia hihaino sy handray ny fampianarany ary hanaiky fa Jesoa no Tompo.
Fanontaniana:
Hazavao araka ny hevitrao ny Jao 10.26
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM