Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo.

Mofonaina anio: Talata, faha 06 Janoary 2026

Sal 95.1-5 / Hira 6/ Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 18

Mpitoriteny 11,1 - 8
Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo. Manana endrika ohabolana mifono anatra ny Soratra Masina anio, ka ireto no lesona horaisintsika avy amin'izany: 1- Mamaly ny soa ataon'ny olona Izy (and 1-3) "Atsipazo eny ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela" (and. 1). Azo raisina ho fitaomana ny olona mba hahay manome sy ho malala-tànana izany. Ka ny fanomezana, na ny fanampiana ny hafa dia tokony hatao amin'ny fanahin'ny fahafoizana tanteraka, tahaka ny manipy mofo eny ambonin'ny rano. Mety tsy hivaly amintsika eo no ho eo ny soa atao amin'ny hafa, ary tsy voatery ho izay olona anaovantsika asa soa no hahavaly fitia antsika, fa ny Tompo no mamaly izany amin'ny fomba tsy takatry ny saina indray andro any. Ny finoana ny famonjena vitan'i Kristy dia mitarika antsika hazoto hiasa sy hampitombo ny fanomezam-pahasoavana ananantsika ho fanasoavana ny mpiara-belona (and.2). Andriamanitra dia tsy manadino, ary manome valim-pitia ho an'izay manao soa (and.3) 2- Matokia Azy (and.4) Ny Kristiana dia olon'ny finoana, ka na dia misy aza ny zavatra mampanahy sy mahatahotra dia miroso hatrany amin'ny fahatokiana. Fa "Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy, ary izay manahy ny rahona tsy hijinja" (and 4). Betsaka ny zavatra tsy takatry ny saina momba ny asan'Andriamanitra sy ny fiahiany antsika olombelona sy ny zava-boary manotolo (and.5). Isika mamafy, fa Izy no mampitombo sy mahavanona izany ho tonga vokatra hojinjaina. Raha mino isika fa mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo, inona moa no tokony hampanahy antsika? Matokia Azy, ifalio sy isaory izay rehetra asehony isanandro (and. 7,8) Fanontaniana: Inona no mahatonga ny olona ho be fanahiana? Sampana Sekoly Alahady Foibe

Mofon'aina teo aloha

Jehovah Andriamanitra no mpahary ny ...

Alatsinainy, 5 Janoary 2026

Jehovah Andriamanitra no mpahary ny olombelona. 1- Noforonina mba hanam-pifandraisana Aminy isika. Ny fampiasana miaraka…

Ny namangian’i Jesoa tao Nazar...

Alahady, 4 Janoary 2026

Ny namangian'i Jesoa tao Nazareta. 1- Nahatalanjona ny olona ny fampianarany (and.54) Nanaitra ny olona…

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo

Asabotsy, 3 Janoary 2026

Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo. 1- Mahay ny zavatra rehetra Izy (and.19) Tsy neken'ny…