Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 01 Janoary 2026

Sal 139.1-6 / Hira 482 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / HF 12

Salamo 111,1 - 10
Mahefa ny zavatra rehetra ny Tompo. Ireto no lesona ho antsika avy amin'izany: 1- Mendrika hoderaina Izy Ity Salamo ity dia tononkalo voarindra sy voalamina mba ho fiderana sy hanehoana ny hatsaran'Ilay Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra. Ny teny hoe: "Haleloia" dia midika hoe: "Miderà an'i Jehovah". Taomina isika mba hidera Azy. Mihoatra noho izay fahatakaran'ny sain'olombelona ny fisainany. Izy no loharano nipoiran'ny zavatra rehetra, ary izany no andaharan'ny mpanao Salamo ny Anarany ho eo am-piandohana. Izy no manome saina ny olona hahatakatra ny hakanton'ny zavatra rehetra nohariany. Midera Azy noho izany ny mpanao Salamo, eo anatrehan'ireo olona nanodidina azy, izay antsoiny hoe "fivorian'ny marina", sy ny Israely izay antsoiny hoe fiangonan-dehibe (and.1). 2- Aoka hatahotra Azy isika Manana ny tanjona kendreny Andriamanitra amin'izay asa rehetra notanterahiny, dia ny hampahafantatra ny olona ny toetra maha Izy Azy: ny fahatsarany, ny firindrana sy filaminan'ny zavatra rehetra nohariany, ny fahamarinany, ny famindrampony, ny tsy fivadihany amin'ny fanekeny; ny maha Andriamanitra Masina sy mahatahotra Azy, ary indrindra ny asam-pamonjeny. Izy no Mpamonjy antsika amin'ny alalan'i Jesoa Kristy, mba hananantsika fiainana mandrakizay. Fehezin'ny mpanao Salamo ny tononkira, amin'ny alalan'ny fitaomana ny olona hatahotra an'Andriamanitra ka hifikitra Aminy, fa izany no fiandoham-pahendrena (and.10). Fanontaniana: Inona no tokony hatao mba hiderana an'Andriamanitra? Sampana Sekoly Alahady Foibe

Mofon'aina teo aloha

Ny Fanomezan’Andriamanitra an&...

Alahady, 7 Desambra 2025

Alahady, faha 07 desambra 2025 Jaona 3. 16-21 Sal 146.1-5 / Hira 21 / Vavaka…

Famantarana ny maha akaiky ny fiavia...

Alatsinainy, 24 Novambra 2025

Sal. 66, 1 – 7 / Hira 175,1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka /…

Jehovah dia azo antenaina, mihaino t...

Alahady, 23 Novambra 2025

Sal 93.1-5 / Hira 178: 1 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 471:2…