Mahatoky i Jesoa Kristy
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 17 Febroary 2020
1 TIMOTY 1.12-16
1 TIMOTY 1.12-16
12 Misaotra an'i Kristy Jesosy Tompontsika aho, Izay nampahery ahy, fa nataony mahatoky aho ka notendreny ho amin'ny fanompoana, 13 dia izaho, izay mpiteny ratsy* fahiny sady mpanenjika sy mpampahory; kanefa nahazo famindram-po aho, satria tamin'ny tsi-fahalalana no nanaovako izany noho ny tsi-finoana. [* Gr. mpanao blasfemia; izahao Mat. 9,3] 14 Fa be indrindra ny fahasoavan'ny Tompontsika tamin'ny finoana sy ny fitiavana, izay ao amin'i Kristy Jesosy. 15 Mahatoky ka tokony hekena amin'ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tet? ambonin'ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin'ireny izaho no lohany. 16 Kanefa izao no namindrana fo tamiko, dia ny mba hasehon'i Jesosy Kristy eo amiko, izay lohany, ny fahari-po rehetra ho fianarana ho an'izay hino Azy hahazoana fiainana mandrakizay.Mahatoky i Jesoa Kristy
1-Manendry mpanompo (and12)
Velom-pisaorana an’i Jesoa Kristy i Paoly Apostoly, satria isan’ny voatendry ho mpanompony hanao ny asany , na dia efa isan’ny olona mpanao ratsy aza teo aloha mpiteny ratsy , mpanenjika ny fiangonana , mpampahory ny kristiana noho ny tsy fahalalana an’i Kristy . Rehefa tonga mpanompon’i Kristy kosa i Paoly , dia tsaroany fa nomba azy i Kristy ka tonga mpanompo azo antoka tamin’ny asan’Andriamanitra izy . Araka izany , na dia mpanao ratsy aza taloha rehefa tonga olom-boafidy na voatendry amin’ny asa fanompoana an’ Andriamanitra , dia mahatsiaro mandrakariva fa momba azy Andriamanitra ka tonga olona azo antoka sy mahavita tsara ny asan’ Andriamanitra izy.
2-Mamindra fo amin’ny mpanompony (and13,16)
Asehon’i Paoly , fa izy no lohan’ny mpanota , kanefa noho ny fahasoavan’i Jesoa Kristy , dia isan’ny olona izay nandray famindrampo izy ka notendreny ho mpanompo noho ny finoana Azy. Famindrampo no mahatonga ny olona ho mpanompon’i Kristy .Ary izany no mitarika azy hanompo amin’ny fahatokiana tanteraka . Noho izany , izay rehetra mahatsiaro fa mpanota ka tamin’ny famindrampo no nahatonga azy ho mpanompon’i Kristy , dia azo antoka amin’ny asa fanompoana izy , ary fianarana ho an’ny hafa hahatonga azy ireo handova ny fiainana mandrakizay .
Fanontaniana:
Azo antoka amin’ny asa fanompoana ve ianao ? Inona no antony ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM