Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 08 Aogositra 2020

MARKA 13.5-13

MARKA 13.5-13
5 Ary Jesosy nilaza taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. 6 Fa maro no ho avy amin'ny anarako hanao hoe: Izaho no Izy, ka maro no ho voafitany. 7 Ary raha mandre ady sy filazana ady ianareo, dia aza matahotra; tsy maintsy hisy izany, nefa tsy mbola tonga ny farany. 8 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy horohorontany any amin'ny tany samy hafa, sady hisy mosary; izany no fiandohan'ny fahoriana*.[*Gr. faharariam-piterahana] 9 Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin'ny Synedriona sy hokapohina ao amin'ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan'ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy. 10 Ary ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha. 11 Koa raha mitondra anareo hatolotra izy, dia aza manahy rahateo izay holazainareo; fa izay teny homena anareo'amin'izany ora izany no holazainareo; fa tsy ianareo no hiteny, fa ny Fanahy Masina. 12 Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ho amin'ny fahafatesana, ary ny ray hanolotra ny zanany; ary ny zanaka hitsangana hanohitra ny rainy aman-dreniny ka hahafaty azy. 13 Ary ho halan'ny olona rehetra ianareo noho ny anarako: fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.

Mahatoky hatramin’ny fahafatesana ny mino

Asain’ny Tompo  amin’ny  mpanara-dia  azy eto  . Voalaza fa hisy  loza be hihatra amin’izao  tontolo  izao  , toy  ny fahapotehana sy faharavana , fahafatesana  ary  indrindra ny  fanenjehana ny  mpino .  Manoloana izany  dia tsy  mampifendrofendro ny olona akory ny Tompo na sanatria mampatahotra , fa milaza mialoha kosa hoe : tsy  maintsy  hisy  izany  , ka tokony  hiomanana . Ilaina àry  ny :

1-Mitandrina manoloana ny  mpamitaka

Mampahafantatra ny  olony  ny  Tompo  eto  fa hisy  ny lozabe mahatsiravina hihatra amin’ny tany  , ary  tsy  ho afaka  amin’izany akory  ny olon’ Andriamanitra  . Rehefa hisy àry   izany  dia ho avy  ny karazan’olona  mpamitaka  na mpandresy  lahatra  na mpitaona ny olona  ho amin’ny làlan-diso , ka  hanambara amin’ny olona  izao atsanga tsy aman’orana  rehetra izao . Hitaona ny olona hanaraka azy izy ireny amin’izany , ary eo indrindra no itenenan’ny Tompo  hoe : “Mitandrema  fandrao hisy hamitaka anareo” amin’ireny  mpamitaka samihafa ireny . Tandremo fa ny hampiala  amin’ny fanarahan-dia  ny Tompo no tadiaviny .

2-Mitandrina manoloana ny fanenjehana

Ankilan’izany , misy koa ny fanenjehana ny kristiana ary maneho  amin’ny endrika maro samihafa izany . Raha ny marina dia tsy vao  eto  no misy filazana fanenjehana  ny kristiana ary I Jesoa Kristy mihitsy  no lohalaharana  sy enjehina amin’izany . Ampihorohoroana  sy enjehina ny kristiana  mba hahatonga azy ireny handà ny fivavahany . Koa dia mampitandrina sy mampiomana antsika amin’izany ny Tompo .

Fanontaniana :

Tokony  hatahotra sy hitsoaka ve ny mpino  manoloana  ny fanenjehana  sy ny lozabe ? Inona no hatao ?

Sampana Sekoly Alahady  FOIBE FJKM