Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana

Mofonaina anio: Alarobia, faha 12 Aogositra 2020
2 Tantara 24,17 - 22
17 Ary rehefa maty Joiada, dia avy Ireo mpanapaka ny Joda ka niankohoka teo anatrehan'ny mpanjaka. Dia nihaino azy ny mpanjaka. 18 Ary nandao ny tranon'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ireo ka nanompo ny Aseraha sy ny sampy dia nisy fahatezerana nihatra tamin'ny Joda sy Jerosalema noho ny fahadisoany. 19 Ary naniraka mpaminany tany aminy Izy hampiverina azy amin'i Jehovah; dia nananatra azy mafy ireo, nefa tsy nety nihaino izy. 20 Ary Zakaria, zanak'i Joiada mpisorona, notsindrian'ny Fanahin'Andriamanitra, dia nitsangana teo amin'ny avoavo teo anatrehan'ny vahoaka izy ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'Andriamanitra: Nahoana ianareo no mandika ny didin'i Jehovah ka tsy mahita fanambinana? Satria efa nahafoy an'i Jehovah ianareo, dia nahafoy anareo kosa Izy. 21 Dia nanao teti-dratsy ireo ka nitora-bato azy teo amin'ny kianjan'ny tranon'i Jehovah araka ny tenin'ny mpanjaka. 22 Toy izany no tsy nahatsiarovan'i Joasy mpanjaka ny soa nataon'i Joiada rainy taminy, fa namono ny zanany izy. Ary nony efa ho faty Zakaria, dia niteny hoe: Jehovah anie hijery sy hamaly izao.

Mahatoky  hatramin’ny fahafatesana

1-Satria efa nandray  ny  Fanahin’Andriamanitra

Taorian’ny nahafatesan’i Joiada no niatombohan’ny vanim-potoana  ny  tsy  fankatoavan’ny Jiosy  izay  anisan’ny mpanjaka tao amin’ny fanjakan’ny Joda ( taona 843-803) . Tafaverina teo amin’ny tany  sy  ny fanjakana ny  fanompoantsampy . Nandefa mpaminany  hampitandrina azy ireo Andriamanitra , kanefa tsy nohenoiny . Notsindrian’ ny  Fanahin’Andriamanitra  i  Zakaria zanak’ i Joiada mba hitondra hafatra  ho  azy  , nefa dia niafara  tamin’n y fahafatesana (24.21) . Tazana teo  amin’ny  fiainan’i Jesoa  Kristy  koa izany   tamin’ny  fandalovany  teto  an-tany  . Ho anao  mahatoky  noho  ny amin’ny Tompo  , mijoroa hatrany  fa mety  hiharan’izany  koa ianao  mpino  .

2-Sahy miteny

“Efa nahafoy  an’I Jehovah  ianareo  dia nahafoy  anareo  koa Izy “ (24.20). Ny fandikana ny didin’I Jehovah teo  amin’izay  natao  no nahatonga an’I Zakaria niteny  . Andriamanitra  dia mahafoy ho an’izay  mandika ny didiny  tahaka izay voalaza eto . Mila fahasahiana ny miteny   mba hanarahan’ny  mpino  ny sitrapon’ Andriamanitra . Ho anao  mahatoky  , sahia miteny  , eny  na dia hiafara  amin’ny fahafatesana aza , toy  izay nanjo  an’I Jesoa Kristy  .

Fanontaniana :

Ho anao izay efa nandray  ny  Tompo , moa manaiky hatramin’ny fahafatesana ve ianao ?

Sampana  Sekoly  Alahady FOIBE FJKM