MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO23

Mofonaina anio: Alahady, faha 23 Oktobra 2016

MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MINO23

LIOKA 7.1-10
1 Ary rehefa vitan'i Jesosy teo anatrehan'ny olona izany toriteniny rehetra izany, dia nankany Kapernaomy Izy. 2 Ary ny mpanompon'ny kapiteny anankiray, izay malalany, dia narary efa ho faty. 3 Koa raha nahare ny amin'i Jesosy ilay kapiteny, dia naniraka loholon'ny Jiosy hankeo aminy hangataka Azy mba ho avy ka hahasitrana ny mpanompony. 4 Ary rehefa tonga teo amin'i Jesosy ireo, dia nangataka mafy taminy ka nanao hoe: Miendrika ny hanaovanao izany izy, 5 satria tia ny firenentsika izy, sady izy no efa nanao ny synagoga ho antsika. 6 Ary Jesosy nandeha niaraka taminy. Ary rehefa efa mby teo akaikin'ny trano Izy, ilay kapiteny dia naniraka sakaiza hitsena Azy ka nanao taminy hoe: Tompoko, aza manahirana ny tenanao Hianao; fa tsy miendrika hidiranao ao ambanin'ny tafon-tranoko aho. 7 Koa na dia ny tenako aza dia nataoko fa tsy miendrika hankeo aminao; fa mitenena ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. 8 Fa izaho koa mba lehilahy manan-dehibe ihany, ka manana miaramila izay feheziko; koa hoy izaho amin'ny anankiray: Mandehana, dia mandeha izy, ary amin'ny anankiray koa Avia, dia avy izy, ary amin'ny mpanompoko: Ataovy izao, dia manao izy. 9 Ary nony nahare izany Jesosy, dia gaga taminy; ary dia nitodika Izy ka nanao tamin'ny vahoaka izay nanaraka Azy hoe: Lazaiko aminareo fa tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin'ny Isiraely aza. 10 Ary nony tafaverina tao an-trano ireo iraka ireo, dia hitany fa sitrana ilay mpanompo.

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO23

LIOKA 7.1-10

Mijoroa ho mahatoky  toy ity kapiteny ity

1-Mahatoky izy satria  « tia ny firenentsika « hoy izy ireo (and5)

2-Mahatoky izy  ka  tokony hositranina  ny mpanompony , hoy izy ireo (and4)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM