MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO

Mofonaina anio: Talata, faha 25 Oktobra 2016

MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MINO

TITOSY 2.6-10
6 Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena; 7 ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana, 8 ny teny tsy misy kilema*, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo. [* Gr. salama] 9 Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin'ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly, 10 tsy hangala-tet?, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin'ny zavatra rehetra.

MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO

TITOSY 2.6-10

Mijoroa ho mahatoky   amin’ny maha- « mpanompo »  anao

Hoy  ny and 9-10 : « ny mpanompo  koa anaro hanaiky ny tompony  ka hanao izay sitrapony amin’ny zavatra  rehetra  , fa tsy hamalivaly , tsy hangala-tety , fa haneho    izay toe-panahy  mahatoky indrindra , mba hamapahamendrika  ny fampianaran’ Andriamanitra , Mpamonjy  antsika  amin’ny zavatra rehetra » .

1-Iza  no mpanompo resahina eto ?

2-Inona  no toetra mahatoky takina  aminy eto ?

3-Inona no tokony  hanentana  azy hanana izany toetra izany ?

« mba  hampahamendrika ny fampianaran’ Andriamanitra  Mpamonjy antsika  amin’ny zavatra rehetra , hoy i Paoly, izany hoe: mba hahazo voninahitra  amin’ny zavatra  rehetra  ny fampianarana  momba  Ilay Andriamanitra Mpamonjy antsika (DIEM) »

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM