MAHATOKY AMIN’NY ASANY  NY MINO

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 27 Oktobra 2016

MAHATOKY AMIN'NY ASANY  NY MINO

2 TANTARA  34.1-7
1 [Ny niandohan'ny nanjakan'i Josia, sy ny nanamboarany ny tempoly, ary ny amin'ny nahitana ny bokin'ny lalana] Valo taona Josia, fony izy vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. 2 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy ka nandeha tamin'ny lalan'i Davida rainy, fa tsy mba nivily na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia. 3 Fa tamin'ny taona fahavalo nanjakany, raha mbola zatovolahy izy, dia niantomboka nitady an'Andriamanitr'i Davida rainy; ary tamin'ny taona faharoa ambin'ny folo kosa dia niantomboka nanadio an'i Joda sy Jerosalema izy mba tsy hisy fitoerana avo, na Aseraha, na sarin-javatra voasokitra, na sarin-javatra anidina intsony. 4 Ary noravan'ny olona teo anatrehan'i Josia ny alitaran'ireo Bala; ary ny tsangan-kazo* ho an'ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin'ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin'ny fasan'ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy. [Na: tsangam-bato] 5 Ary nandoro ny taolan'ny mpisorona teo ambonin'ny alitarany izy, ka dia nanadio an'i Joda sy Jerosalema. 6 Ary tany amin'ny tanànan'ny Manase sy ny Efraima ary ny Simeona hatrany amin'ny Naftaly, dia tao an-tanànany izay rava, 7 dia noravany koa ny alitara sy ny Aseraha; ary ny sarin-javatra voasokitra nomongomongoiny ho vovoka; ary ny tsangan-kazo* ho an'ny masoandro eran'ny tanin'ny Isiraely rehetra dia nokapainy; ary dia niverina ho any Jerosalema izy.[Na: tsangam-bato]

MAHATOKY AMIN’NY ASANY  NY MINO

2 TANTARA  34.1-7

Mijoroa  ho mahatoky   tahaka an’i Josia

1-Tsy   mifidy  taona  ny fananana toetra mahatoky

2-Ny olona mahatoky , mandrava  ny sampy

3-Ny olona  mahatoky , mafana  fo amin’ny marina

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM