MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 31 Oktobra 2016
MAHATOKY AMIN'NY ASANY NY MINO
Apokalypsy 2.8-11
8 [Smyrna] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Smyrna: Izao no lazain'ny Voalohany sy ny Farany, Izay efa maty, nefa velona indray: [* Gr. eklesia] 9 Fantatro ny fahorianao sy ny fahantranao (nefa manan-karena ianao), ary ny fitenenan-dratsy* ataon'izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa synagogan'i Satana. [* Gr. blasfemia; izahao Mat. 9, 3) 10 Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satro-boninahitra fiainana. 11 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. Izay maharesy dia tsy hosimban'ny fahafatesana faharoa. [* Gr. eklesia]MAHATOKY AMIN’NY ASANY NY MINO
Apokalypsy 2.8-11
Mijoroa ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana
1-Mahatoky hatramin’ny fara fofonaina
2-Mahatoky hatramin’ny fahafozana ny aina
3-Mahatoky hatramin’ny fahazoana satroboninahitra
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM